Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miankina Amin’ny Inona Marina ny Hoavinao?

Miankina Amin’ny Inona Marina ny Hoavinao?

Be dia be ny olona mino hoe miankina amin’ny lahatra na vintana ny hoaviny. Izany no mahatonga azy ireo hanao zavatra sasany sao mba ho tsara kokoa ny fiainany.

INONA NO INOAN’NY OLONA?

FANANDROANA: Misy olona mino hoe misy vokany amin’ny hoavin’ny tsirairay ny toeran’ny kintana eny amin’ny lanitra amin’ny fotoana ahaterahany. Mijery tononandro àry izy ireo, amin’izay izy ho afaka hamantatra an’izay hitranga amin’ny hoavy sy handray fanapahan-kevitra tsara.

FENG SHUI: Misy indray mihevitra hoe hahita fahombiazana izy, raha manaraka fombafomba rehefa mandamina na manamboatra ny tranony. Hoy i Lo Wing, * mipetraka any Hong Kong: “Nisy manam-pahaizana momba ny feng shui nilaza tamiko hoe raha tiako hitombo ny vola azoko, dia mila mametraka vatosoa manokana amin’ny toerana voafaritra tsara ao amin’ny fivarotako aho.”

MIVAVAKA AMIN’NY RAZANA: Misy indray mino hoe raha te ho voaro sy hahazo fitahiana izy, dia mila mampifaly ny razana na ireo andriamanitra. Hoy i Van, mipetraka any Vietnam: “Nino aho taloha hoe hihatsara ny fiainanay mianakavy ary hanana hoavy sambatra izahay, raha manome voninahitra ny razambeko aho.”

TERAKA INDRAY AO AMIN’NY VATANA VAOVAO: Betsaka ny olona mino hoe rehefa maty ny olona iray dia teraka ao amin’ny vatana vaovao indray, ary miverimberina foana izany. Ny zavatra nataony tamin’ny fiainany teo aloha, hono, no mahatonga ny fiainany ho tsara na ho ratsy amin’izao.

Maro no mihevitra an’ireo ho finoanoam-poana, nefa mbola mamaky soritra amin’ny tanana ihany, na mamaky karatra, mijery tononandro, na ny toy izany. Sao dia mba hahafantatra ny hoavy mantsy, hono, ry zareo raha manao an’izany.

NISY VOKANY VE IZANY?

Nihatsara ve ny fiainan’ny olona nanao an’ireo zavatra ireo? Nahatonga azy ireo hanana hoavy sambatra ve izany?

Eritrereto ny nanjo an’i Hào, mipetraka any Vietnam. Nijery tononandro izy, nanao feng shui, ary nivavaka tamin’ny razany. Nahomby ve izy? Hoy i Hào: “Tsy nahomby ny raharaham-barotra nataoko, lasa bokan-trosa aho, nisy disadisa tao amin’ny fianakaviako, ary kivy tanteraka aho.”

I Qiuming, avy any Taïwan, koa nijery tononandro, nanao feng shui, ary nivavaka tamin’ny razany. Nino ny vintana izy sady nino hoe teraka ao amin’ny vatana vaovao indray ny olona rehefa maty. Nodinihiny akaiky ireo zavatra ninoany ireo, dia hoy izy: “Tonga saina aho hoe mifanohitra ireo fampianarana sy fombafomba ireo ary mampikorontan-tsaina. Hitako hoe tsy marina akory ny zavatra lazain’ny tononandro momba ny hoavy. Hitako koa fa tsy mitombina ilay hoe teraka ao amin’ny vatana vaovao ny olona rehefa maty. Ahoana tokoa moa no ahafahanao miova sy manatsara ny fiainanao, raha tsy misy tadidinao ny zavatra nitranga tamin’ny fiainanao teo aloha?”

“Tonga saina aho hoe mifanohitra ireo fampianarana sy fombafomba ireo ary mampikorontan-tsaina.”—QIUMING, TAÏWAN

Hoatran’i Hào sy Qiuming, dia maro be ny olona lasa nahafantatra hoe tsy miankina amin’ny vintana na amin’ny kintana ny hoavin’ny olona iray. Tsy miankina amin’ny razana na ilay hoe teraka ao amin’ny vatana vaovao koa izany. Midika ve izany fa tsy misy azonao atao mihitsy mba hanananao hoavy tsara kokoa?

Betsaka ny olona mieritreritra hoe raha manao fianarana ambony sy mikatsaka harena ry zareo, dia hanana hoavy tsara kokoa. Nahomby ve izay nanao an’izany safidy izany?

^ feh. 5 Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity sy ireo manaraka.

^ feh. 16 Hita ao amin’ny Galatianina 6:7 ao amin’ny Baiboly Masina ireo teny ireo. Misy fomba fitenin’ny olona any Azia mitovy amin’izany manao hoe: Mambole voatango raha te hahazo voatango, fa tsaramaso ambolena raha te hahazo tsaramaso.