Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mba Ampitahao Amin’ny Baiboly hoe ny Zavatra Inoanao!

Mba Ampitahao Amin’ny Baiboly hoe ny Zavatra Inoanao!

KRISTIANINA ve ianao? Raha izany no izy, dia anisan’ireo olona roa arivo tapitrisa mahery eran-tany (efa ho 1 ao anatin’ny 3), izay milaza ho mpanara-dia an’i Kristy ianao. An’arivony izao ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, nefa mifanohitra ny fampianarany sy ny fomba fiheviny. Mety tsy hitovy amin’ny zavatra inoan’ny olon-kafa milaza azy ho Kristianina àry ny anao. Tena zava-dehibe anefa ve izay inoanao? Eny, raha tianao ny hampihatra izay lazain’ny Baiboly momba ny atao hoe Kristianina.

Nantsoina hoe “Kristianina” ny mpianatr’i Jesosy Kristy, tany am-boalohany. (Asan’ny Apostoly 11:26) Tsy nila nitondra anarana hafa izy ireo, satria iray ihany ny Fivavahana Kristianina tamin’izany. Samy nanaraka ny fampianarana sy tari-dalan’i Jesosy Kristy, mpanorina azy io, izy ireo. Ary ahoana ny amin’ny fivavahanao? Mino ve ianao fa izay nampianarin’i Kristy sy ninoan’ny Kristianina voalohany no ampianarin’izy io? Azonao antoka ve izany? Tokana ihany ny fomba ahalalana ny marina: Ampiasao ny Baiboly.

Diniho izao: Tena nohajain’i Jesosy Kristy ny Soratra Masina, satria nekeny ho Tenin’Andriamanitra. Tsy nankasitrahany ireo nihevitra ny fomban-drazana ho zava-dehibe kokoa, ka nanamaivana ny fampianaran’ny Baiboly. (Marka 7:9-13) Nampifanaraka ny zavatra ninoany tamin’ny Soratra Masina àry ny tena mpianatr’i Jesosy. Mila mandini-tena ny Kristianina tsirairay hoe: ‘Mifanaraka amin’ny Baiboly ve izay ampianarin’ny fivavahako?’ Ho voavaly izany raha manao fampitahana ianao.

Nilaza i Jesosy fa tokony hivavaka araka ny fahamarinana isika, ary ao amin’ny Baiboly no misy ny fahamarinana. (Jaona 4:24; 17:17) Niteny koa ny apostoly Paoly fa ho voavonjy izay manana “fahalalana marina tsara ny fahamarinana.” (1 Timoty 2:4) Tokony hifanaraka amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly àry ny zavatra inoantsika, mba ho voavonjy isika!

AHOANA NO HANAOVANA ILAY FAMPITAHANA?

Asainay ianao hamaky an’ireo fanontaniana enina ato amin’ity lahatsoratra ity, sy hijery ny valiny omen’ny Baiboly. Jereo ao amin’ny Baiboly mihitsy ireo andininy ary saintsaino. Diniho avy eo raha mifanaraka amin’ny Baiboly ny fampianaran’ny fivavahanao.

Tena zava-dehibe ny hanaovanao an’io fampitahana fohy io. Misy fampianarana hafa tianao hampitahaina amin’izay lazain’ny Baiboly ve? Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy anao handalina ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Miresaha àry amin’izy ireo raha te hianatra Baiboly maimaim-poana ianao, na midira ao amin’ny tranonkalanay jw.org/mg.