Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MANOVA OLONA NY BAIBOLY

Lavo Imbetsaka Aho fa Tafarina Ihany

Lavo Imbetsaka Aho fa Tafarina Ihany
  • TERAKA: 1953

  • FIRENENA: AOSTRALIA

  • FIAINANY TALOHA: MPIJERY SARY VETAVETA

NY FIAINAKO TALOHA:

Avy any Alemaina i Dada fa nifindra tany Aostralia, tamin’ny 1949. Nitady asa tany amin’ny toeram-pitrandrahana sy orinasa mpamokatra herinaratra izy. Nipetraka tany ambanivohitra, tany Victoria, izy, ary nanambady an’i Neny tatỳ aoriana. Teraka aho tamin’ny 1953.

Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Neny, rehefa afaka taona vitsivitsy. Mbola kely àry aho dia efa nahalala izay lazain’ny Baiboly. I Dada kosa tsy tia fivavahana mihitsy. Lasa nihetraketraka sy nahery setra izy, ka natahotra azy fadiranovana i Neny. Nianatra Baiboly ihany i Neny fa niafina. Lasa tiany ny zavatra nianarany, ary noresahiny taminay mianadahy izany rehefa tsy tao an-trano i Dada. Nilaza izy fa ho lasa paradisa ny tany, ary ho sambatra izahay raha manaraka ny fitsipiky ny Baiboly.—Salamo 37:10, 29; Isaia 48:17.

Voatery niala tao an-trano aho rehefa 18 taona, fa nahery setra loatra i Dada. Nino aho hoe marina ny zavatra nampianarin’i Neny avy tao amin’ny Baiboly. Tsy nampihariko anefa ilay izy satria tsy zava-dehibe tamiko. Lasa elektrisianina tao amin’ny toeram-pitrandrahana arintany aho. Nanambady aho rehefa 20 taona, ary nahazo vavikely izahay telo taona taorian’izay. Nandinika indray àry aho hoe inona no tena zava-dehibe eo amin’ny fiainako. Fantatro fa afaka manampy ny fianakaviako ny Baiboly, ka nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Nanohitra be anefa ny vadiko. Rehefa avy nivory aho, indray andro, dia norahonany hoe na izaho tsy mianatra Baiboly intsony na izaho miala ao an-trano. Tsy afa-nanoatra aho ka tsy nifandray intsony tamin’ny Vavolombelona. Nanenina aho tatỳ aoriana satria tsy notohizako ny fianarako, nefa fantatro hoe tsara ilay izy.

Nampiseho ahy sary vetaveta ny mpiara-miasa tamiko, indray andro. Naharikoriko ahy ilay izy nefa koa nanintona ahy, ka nanenjika ahy ny eritreritro. Fantatro fa hosazin’Andriamanitra aho, satria tadidiko hoe melohin’ny Baiboly ny olona manao ratsy toy izany. Mbola nijery sary vetaveta foana anefa aho, ka lasa tsy nampaninona ahy intsony ilay izy. Nanjary nandevozin’ilay izy mihitsy aza aho.

Vao mainka aho nanao zavatra nifanohitra tamin’izay nampianarin’i Neny, ka nivarilavo nandritra ny 20 taona. Hita tamin’izay nataoko fa zava-dratsy no nameno ny saiko. Lasa mpiteny ratsy aho sady tia nanao vazivazy maloto. Niova ny fiheverako ny firaisana ara-nofo. Betsaka ny vehivavy niarahako, na dia mbola niara-nipetraka tamin’ny vadiko aza aho. Lasa halako sy naharikoriko ahy ny tenako, ary tsy nisy hasiny intsony.

Rava ny tokantranoko, ary potika tanteraka ny fiainako. Nivavaka tamin’i Jehovah tamin’ny foko manontolo àry aho. Niverina nianatra Baiboly aho, na dia efa 20 taona aza aho no tsy nianatra azy io. Efa maty i Dada tamin’izay, ary efa lasa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa i Neny.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO:

Nifanipaka toy ny atsimo sy avaratra ny fomba fiainako sy ny fitsipiky ny Baiboly. Te hahatsapa an’ilay fiadanan-tsaina ampanantenainy anefa aho, ka niezaka hifehy tena sy tsy hiteny ratsy intsony. Nanapa-kevitra koa aho fa tsy hijangajanga intsony, na hiloka, na himamo, na hangalatra ao am-piasana.

Tsy azon’ny mpiara-miasa tamiko hoe nahoana aho no te hiova be hoatr’izany. Nanao izay ho afany izy ireo nandritra ny telo taona, mba hitaomana ahy hiverina amin’ny taloha. Raha sendra solafaka kely aho ka nisafoaka na nanompa, dia faly erỳ ry zareo niteny hoe: “Izay mihitsy leisy a! Izay ilay Joe taloha izay!” Nankarary ny foko ny tenin’izy ireo, ka kivy be aho matetika.

Feno sary vetaveta tao am-piasana, na tamin’ny ordinatera izany na tamin’ny boky. Mifandefa an’ireny sary ireny ny mpiara-miasa, toy ny fanaoko taloha. Niezaka niala tamin’ny fahazaran-dratsiko aho, fa nataon-dry zareo foana izay hamandrihana ahy. Niangaviako àry ilay olona nampianatra Baiboly ahy mba hanampy sy hampahery ahy. Nihaino ahy tsara izy rehefa nolazaiko taminy ny tao am-poko. Avy eo izy nanoro ahy an’izay andinin-teny afaka manampy ahy. Nampirisihiny koa aho mba hivavaka foana.—Salamo 119:37.

Novoriko ny mpiara-miasa tamiko, indray andro. Nasaiko nomen-dry zareo labiera ny mpiasa roa, izay efa niaiky fa miankin-doha amin’ny toaka. Tonga ry zareo dia nitabataba hoe: “Aiza kosa e! Ry zalahy aza efa miady mafy amin’ny fahazaran-dratsiny!” Dia namaly aho hoe: “Ie, izaho koa.” Tamin’izay vao tsapan’ny mpiara-miasa tamiko hoe niady mafy aho mba tsy handevozin’ny boky sy sary vetaveta. Tsy notereny hijery an’ireny intsony aho taorian’izay.

Resiko ihany ny fahazaran-dratsiko tamin’ny farany, satria tena nanampy ahy i Jehovah. Natao batisa aho ka lasa Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1999. Misaotra azy aho fa mbola afaka manana fiainana madio sy sambatra indray.

Izao vao azoko hoe nahoana no tsy tian’i Jehovah ny zavatra tiako taloha. Ray be fitiavana izy, ka te hiaro ahy amin’ny voka-dratsin’ny fijerena sary vetaveta. Tena marina ny voalazan’ny Ohabolana 3:5, 6 hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, fa aza miantehitra amin’ny fahaizanao. Eritrereto izy amin’izay rehetra ataonao, dia hataony mandeha tsara ny fiainanao.” Sady miaro antsika àry ny fitsipiky ny Baiboly no mahatonga antsika hahomby eo amin’ny fiainana.—Salamo 1:1-3.

NY SOA NORAISIKO:

Naharikoriko ahy ny tenako taloha. Milamin-tsaina anefa aho izao sady misy hasiny. Efa niova aho, ary mamela ny heloko i Jehovah sady manampy ahy. Nanambady an’i Karolin aho tamin’ny 2000. Kristianina mahafinaritra izy sady tia an’i Jehovah hoatr’ahy. Milamina ny tokantranonay. Faly izahay fa anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy kristianina eran-tany, izay madio sady be fitiavana.