Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rehefa Maty ny Olona Akaiky Anao

Rehefa Maty ny Olona Akaiky Anao

“Maty tampoka ny zokiko lahy. Kivy be aho fa tsy mba nahavita nisakana an’ilay izy. Nisy fotoana aho nahatsiaro azy tampoka, na dia volana maro tatỳ aoriana aza. Mafy be ilay izy! Hoatran’ireny notsatohana antsy ireny aho. Indraindray aho tezitra, satria tsy rariny hoe maty izy. Nanamelo-tena koa aho hoe tsy mba niaraka matetika taminy.” ​—Vanessa, Aostralia.

METY hiovaova be ny fihetseham-ponao, raha maty ny olona akaiky anao. Malahelo be, ohatra, ianao, mahatsiaro ho irery na tsy afa-manoatra. Misy fotoana indray ianao tezitra, manamelo-tena, na matahotra. Mety hieritreritra mihitsy aza ianao hoe tsy misy dikany intsony ny fiainana.

Ara-dalàna raha malahelo ianao. Hita amin’izany hoe tena tianao ilay olona. Misy zavatra azonao atao ihany anefa mba tsy halahelo be loatra ianao.

INONA NO AZONAO ATAO?

Raha hoatran’ny tsy ho afaka mihitsy ny alahelonao, dia ireto misy soso-kevitra afaka manampy anao:

TADIDIO HOE TSY DISO IANAO RAHA MALAHELO

Samy manana ny fomba iatrehany fahoriana ny olona, ary tsy mitovy ny fotoana ilainy amin’izany. Mety hanampy anefa ny mitomany. Hoy i Vanessa, ilay voaresaka tetsy aloha: “Mitomany aho indraindray amin’izay mba maivamaivana.” Tsy hoatr’izany kosa no nataon’i Sofía, rehefa maty tampoka ny rahavaviny. Hoy izy: “Nanaiky ny zava-misy aho. Mila tsy ho zaka ilay izy, satria hoatran’ireny manisy alkaola amin’ny fery ireny ianao. Raha tsy manao an’izay anefa ianao dia tsy ho sitrana mihitsy ilay fery.”

RESAHO AMIN’NY HAFA IZAY TSAPANAO

Ara-dalàna raha te ho irery ianao indraindray. Ny entan-jaraina anefa mora zaka. Maty, ohatra, ny dadan’i Jared, 17 taona. Hoy izy: “Noresahiko tamin’ny hafa ny fihetseham-poko. Maivamaivana aho avy eo, na dia mety hoe tsy nazava akory aza ny zavatra nolazaiko.” Hoy koa i Janice: “Maivamaivana erỳ aho rehefa niresaka tamin’ny hafa. Faly aho hoe mba azon’ny hafa ny fihetseham-poko. Tsapako hoe tsy niady irery aho.”

AVELAO NY HAFA HANAMPY ANAO

Hoy ny dokotera iray: “Mora kokoa amin’ny olona ny miatrika fahoriana, raha amin’ny voalohany izy dia efa manaiky hampian’ny namany sy ny havany.” Resaho amin’ny namanao hoe inona no azon’izy ireo anampiana anao. Mety hoe te hanampy mantsy izy, fa tsy hainy fotsiny izay ilainao.​—Ohabolana 17:17.

MIEZAHA HO AKAIKY AN’ANDRIAMANITRA

Hoy i Tina: “Matin’ny kansera ny vadiko. Tena tsy nampoiziko ilay izy. Tsy teo intsony izy mba hizarako ny fihetseham-poko, dia Andriamanitra indray no namborahako ny zava-drehetra. Nangataka taminy foana aho isa-maraina hoe: ‘Ampio aho mba hahavita hiatrika an’ity andro ity.’ Tsy ho voatanisako ny zavatra nataony ho an’ahy.” Maty koa ny maman’i Tarsha tamin’izy 22 taona. Hoy izy: “Tena nampahery ahy ny namaky Baiboly isan’andro. Mba afaka nisaintsaina zavatra tsara aho.”

ALAO SARY AN-TSAINA ILAY FOTOANA HANANGANANA NY MATY

Hoy ihany i Tina: “Fantatro hoe mbola hatsangana ny maty. Tsy nampahery ahy mihitsy anefa izany tamin’ny vao maty ny vadiko. Nila an’azy mantsy izahay efa-mianaka. Efa-taona tatỳ aoriana anefa, lasa tiako be indray ilay fanantenana hoe mbola hatsangana ny maty. Izany no manampy ahy tsy hilavo lefona. Tena faly sy milamin-tsaina aho rehefa mieritreritra hoe mbola hihaona indray izahay.”

Mety tsy ho afaka vetivety ny alahelonao. Mampahery anefa ity tenin’i Vanessa ity: “Hoatran’ny hoe hanjombona izany foana ny andro. Matokia anefa fa hisava tsikelikely ny rahona.”

Mety hahatsiaro foana ianao hoe misy banga ny fiainanao. Mbola misy dikany ve ny fiainana raha izany? Ie. Afaka manampy anao Andriamanitra, ary omeny namana mahafinaritra ianao. Tsy ho ela koa izy dia hanangana ny maty. Tiany hiaraka indray amin’ilay olona tsy foinao mantsy ianao. Tsy halahelo intsony ianao amin’izay!