Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sarobidy Amin’i Jehovah ny Fankatoavanao Azy

Sarobidy Amin’i Jehovah ny Fankatoavanao Azy

Sarobidy Amin’i Jehovah ny Fankatoavanao Azy

“Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko.”—OHABOLANA 27:11.

1. Inona no toe-tsaina manjaka ankehitriny?

TSY tia mankatò sady te hanao izay tiany ny olona maro ankehitriny. Nilaza ny anton’izany ny apostoly Paoly, rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina tany Efesosy. Hoy izy: ‘Taloha ianareo [dia] nandeha araka an’ity tontolo ity sy araka an’ilay mpitondra ny fahefan’ny rivotra, dia ny toe-tsaina izay miasa ankehitriny ao amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana.’ (Efesianina 2:1, 2) I Satana Devoly no “mpitondra ny fahefan’ny rivotra.” Izy, raha ny marina, no mahatonga ny ankamaroan’ny olona tsy ho tia mankatò. Efa nampiely izany toe-tsaina izany izy tamin’ny taonjato voalohany, ary vao mainka nampiely izany nanomboka tamin’ny nandroahana azy avy any an-danitra, tamin’ny fotoana nipoahan’ny Ady Lehibe I.—Apokalypsy 12:9.

2, 3. Nahoana isika no tokony hankatò an’i Jehovah?

2 Fantatsika Kristianina anefa fa tokony hankatò an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny fo manontolo isika, satria izy no Mpamorona, Mpamelona, Mpanjaka be fitiavana, ary Mpanafaka antsika. (Salamo 148:5, 6; Asan’ny Apostoly 4:24; Kolosianina 1:13; Apokalypsy 4:11) Fantatr’ireo Israelita tamin’ny andron’i Mosesy fa i Jehovah no Mpanome aina sy Mpamonjy azy ireo. Hoy àry i Mosesy: ‘Mitandrema [ianareo] mba hanao araka izay efa nandidian’i Jehovah Andriamanitrareo anareo.’ (Deoteronomia 5:29) Tokony hankatò an’i Jehovah tokoa izy ireo. Tsy ela anefa izy ireo dia nikomy tamin’ilay Mpanjakany.

3 Tena mila mankatò an’ilay Mpamorona an’izao rehetra izao ve isika? Nasain’Andriamanitra nilaza tamin’i Saoly Mpanjaka i Samoela mpaminany, hoe: “Ny manaraka [na mankatò] no tsara noho ny fanatitra.” (1 Samoela 15:22, 23) Fa nahoana?

Nahoana ny mankatò no tsara noho ny fanatitra?

4. Inona no azontsika omena an’i Jehovah?

4 Efa an’i Jehovah ny zava-drehetra satria izy no Mpamorona. Mbola misy zavatra tena sarobidy azontsika omena azy anefa. Inona izany? Ny fankatoavantsika azy. Hoy mantsy ny Ohabolana 27:11: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.” Nilaza i Satana Devoly fa hivadika amin’Andriamanitra ny olombelona rehefa iharam-pitsapana. Afaka mamaly izany fiampangany izany daholo anefa isika raha mankatò, na dia samy hafa aza ny toe-javatra misy antsika sy ny fitaizana azontsika. Voninahitra lehibe tokoa izany!

5. Inona no tsapan’ilay Mpamorona antsika rehefa tsy mankatò isika? Hazavao amin’ny ohatra.

5 Mahaliana an’Andriamanitra ny fanapahan-kevitra raisintsika. Malahelo izy rehefa tsy mankatò isika. (Salamo 78:40, 41) Inona, ohatra, no ho tsapan’ny dokotera be fitiavana iray, raha mbola mihinana sakafo tsy avelany hohanina ny olona iray voan’ny diabeta? Malahelo izy satria fantany fa tsy hahasoa an’ilay marary izany. Toy izany koa no tsapan’i Jehovah rehefa tsy mankatò isika. Fantany mantsy izay hitranga, rehefa tsy miraharaha ny tari-dalany isika.

6. Inona no hanampy antsika hankatò an’Andriamanitra?

6 Inona no hanampy antsika hankatò? Tena ilaina ny mitalaho amin’Andriamanitra mba homeny “saina malady”, izany hoe fo mankatò. Izany no nataon’i Solomona, mpanjakan’ny Israely. Nangataka fo mankatò izy, mba hahaizany “manavaka ny soa sy ny ratsy” rehefa mitsara ny Israelita. (1 Mpanjaka 3:9) Mila manana fo mankatò koa isika mba hahaizantsika manavaka ny tsara sy ny ratsy, eto anivon’ity tontolo feno olona tsy tia mankatò ity. Mba hananantsika fo mankatò, dia nomen’Andriamanitra antsika ny Teniny sy ireo boky fianarana Baiboly. Manampy antsika koa ny fivoriana kristianina sy ireo anti-panahy be fitiavana eo anivon’ny fiangonana. Mahay manararaotra an’ireo fanampiana omen’i Jehovah ireo ve ianao?

7. Nahoana i Jehovah no manantitrantitra fa sarobidy kokoa noho ny fanatitra ny fankatoavana?

7 Efa nasehon’i Jehovah tamin’ireo vahoakany fahiny, fa sarobidy kokoa noho ny sorona biby ny fankatoavana. (Ohabolana 21:3, 27; Hosea 6:6; Matio 12:7) Nahoana izy no nilaza izany nefa izy ihany no nandidy ny vahoakany mba hanao ireny sorona ireny? Fa inona moa no antony nanaovan’ilay olona fanatitra? Mba hampifaliana an’Andriamanitra ve sa fombafomba fotsiny? Raha tena te hampifaly an’Andriamanitra ny mpanompony, dia hiezaka hankatò ny didiny rehetra. Ny fankatoavantsika azy àry no tena sarobidy amin’Andriamanitra, fa tsy ny sorona biby.

Ohatra fampitandremana

8. Nahoana Andriamanitra no nanala an’i Saoly tsy ho mpanjaka?

8 Tena ilaina ny mankatò, araka ny asehon’ny tantaran’i Saoly Mpanjaka. Nanetry tena i Saoly, tamin’izy vao nanomboka nanjaka. ‘Nihevitra ny tenany ho kely izy.’ Nihevi-tena ho ambony sy nanana hevi-diso anefa izy tatỳ aoriana, ka nisy vokany teo amin’ny fanapahan-kevitra noraisiny izany. (1 Samoela 10:21, 22; 15:17) Hiady tamin’ny Filistinina izy, indray mandeha. Nasaina niandry ny hahatongavan’i Samoela izy, satria ho avy hanolotra fanatitra ho an’i Jehovah i Samoela sady hanome tari-dalana fanampiny. Tsy tonga ara-potoana anefa i Samoela, ary nanomboka nandao an’i Saoly ny olona. Raha vao nahita izany i Saoly, dia natolony “ny fanatitra odorana.” Tsy nahafaly an’i Jehovah izany. Rehefa tonga i Samoela dia nanala tsiny ny tenany ny mpanjaka, ary nilaza fa tara i Samoela ka voatery nanao an’ilay fanatitra izy, mba hahazoana sitraka amin’i Jehovah. Nihevitra i Saoly fa zava-dehibe kokoa noho ny fankatoavana an’ilay toromarika, ny fanaovana fanatitra. Hoy i Samoela taminy: “Nanao adala hianao; tsy nitandrina ny didin’i Jehovah Andriamanitrao izay nandidiany anao hianao.” Tsy nankatò an’i Jehovah i Saoly, ka nesorina tsy ho mpanjaka intsony.—1 Samoela 10:8; 13:5-13.

9. Inona no mampiseho fa tsy nankatò an’Andriamanitra i Saoly?

9 Nandray lesona tamin’iny zava-nitranga iny ve ilay mpanjaka? Tsia. Nandidy an’i Saoly i Jehovah, tatỳ aoriana, mba handringana ny Amalekita, noho izy ireo nanafika ny Israelita tsy amin’antony. Tokony horinganin’i Saoly, na dia ny biby fiompin’izy ireo aza. Nankatò ihany izy ka “namely ny Amalekita hatrany Havila amin’ny làlana mankany Sora.” Faly erỳ izy noho ny fandreseny, ka nilaza tamin’i Samoela hoe: “Hotahin’i Jehovah anie hianao; efa nahatanteraka ny tenin’i Jehovah aho.” Tsy tena nanaraka ny toromarika nomena azy ireo anefa i Saoly sy ny olony, satria tsy novonoin’izy ireo i Agaga Mpanjaka sy “izay tsara indrindra tamin’ny ondry aman-osy sy ny omby sy ny mifahy sy ny zanak’ondry ary izay tsara rehetra.” Nanamarin-tena i Saoly Mpanjaka ka nilaza hoe: ‘Namela izay ondry aman-osy sy omby tsara indrindra ny olona, mba hovonoina hatao fanatitra ho an’i Jehovah Andriamanitrao.’—1 Samoela 15:1-15.

10. Inona no zavatra tsy fantatr’i Saoly?

10 Hoy àry i Samoela tamin’i Saoly: “Sitrak’i Jehovah moa ny fanatitra odorana sy ny fanatitra hafa alatsa-dra mihoatra noho ny mihaino ny feon’i Jehovah? He! ny manaraka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran’ondrilahy.” (1 Samoela 15:22) Efa nasain’i Jehovah noringanina ireny biby ireny, ka tsy nekeny hatao fanatitra intsony.

Mankatoava amin’ny zava-drehetra

11, 12. a) Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny ezaka ataontsika mba hanompoana azy? b) Inona no hevi-diso mety hananan’ny Kristianina iray?

11 Tena faly i Jehovah rehefa mankatò azy ny mpanompony. Maro amin’izy ireo no tsy mivadika na dia enjehina aza, manohy mitory ilay Fanjakana na dia tsy miraika aza ny olona, ary manatrika fivoriana kristianina na dia miady mafy amin’ny fiainana aza. Faly tokoa ny fony, rehefa manao an’ireny zavatra takiny amintsika Kristianina ireny isika! Sarobidy aminy ny ezaka ataontsika mba hanompoana azy, rehefa atao amim-pitiavana. Mety tsy ho voamariky ny olona ny ezaka sy ny asa mafy ataontsika. Hitan’Andriamanitra anefa izany ary tsy hohadinoiny mihitsy.—Matio 6:4.

12 Tsy maintsy mankatò an’Andriamanitra amin’ny lafin-javatra rehetra anefa isika, raha tena te hampifaly azy. Tsy tokony hamita-tena mihitsy isika ka hihevitra fa azo atao ny mandika ny zavatra sasany takin’Andriamanitra, raha mitandrina tsara ny lafin-javatra hafa isika. Mety hieritreritra, ohatra, ny Kristianina iray maloto fitondran-tena sy manao ratsy fa tsy ho voasazy izy, raha mbola miseho ho manompo an’i Jehovah. Tena diso hevitra ny olona toy izany!—Galatianina 6:7, 8.

13. Mety halaim-panahy hanao inona isika rehefa tsy misy mahita?

13 Afaka manontany tena àry isika hoe: ‘Mankatò an’i Jehovah foana ve aho, na dia rehefa tsy misy mahita aza?’ Hoy i Jesosy: “Izay mahatoky amin-javatra madinika dia mahatoky koa amin’ny zava-dehibe, ary izay tsy marina amin-javatra madinika dia tsy marina koa amin’ny zava-dehibe.” (Lioka 16:10) ‘Mandeha amin’ny fahitsiana’ ve isika ao ‘an-tranontsika’, rehefa tsy misy mahita? (Salamo 101:2) Mety halaim-panahy hanao ratsy isika rehefa ao an-trano. Tany amin’ny toerana fijerena sinema ihany no nahitana sary vetaveta, taona vitsivitsy lasa izay. Saika manana ordinatera anefa izao ny ankamaroan’ny olona any amin’ny tany maro, ka tena mora ny mahita sary toy ireny. Hankatoavintsika ve ilay tenin’i Jesosy hoe: “Izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony sahady”? Halavirintsika ve na dia ny manopy maso amin’ny sary vetaveta aza? (Matio 5:28; Joba 31:1, 9, 10; Salamo 119:37; Ohabolana 6:24, 25; Efesianina 5:3-5) Ary ahoana ny fandaharana na filma misy herisetra ao amin’ny tele? Mitovy amin’Andriamanitra ve isika, ka ‘mankahala’ ny olona “mifaly hampidi-doza”? (Salamo 11:5) Ary ny zava-pisotro misy alkaola? Mety ve ny misotro tafahoatra, rehefa tsy misy mahita? Mandrara ny fimamoana ny Baiboly, sady mampitandrina ny Kristianina mba tsy ho zatra misotro “divay be.”—Titosy 2:3; Lioka 21:34, 35; 1 Timoty 3:3.

14. Inona no lafiny sasany azontsika ampisehoana fa mankatò an’Andriamanitra isika?

14 Tokony hitandrina koa isika eo amin’ny resa-bola. Manao izay hahazoam-bola be haingana ve isika, na dia misy endrika fanambakana aza izany? Alaim-panahy hanao zavatra tsy ara-dalàna ve isika mba tsy handoavan-ketra? Sa kosa isika mankatò ilay didy hoe: ‘Aloavy amin’izy rehetra izay tokony ho azy avy, ny hetra ho an’izay mitaky hetra’?—Romanina 13:7.

Mankatò noho ny fitiavana

15. Nahoana ianao no mankatò an’i Jehovah?

15 Ahazoana fitahiana ny fankatoavana ny toro lalan’Andriamanitra. Mety tsy ho voan’ny aretina sasany, ohatra, ianao raha tsara fitondran-tena, tsy mifoka sigara na mihinam-paraky, ary tsy manaiky fampidiran-dra. Mety tsy ho lanilany foana koa ny volanao, raha manaraka ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ianao. Hifandray tsara amin’ny olona ianao ary hilamina ny fiainam-pianakavianao. (Isaia 48:17) Azo heverina ho fitahiana avokoa ny soa azo avy amin’ny fanarahana ny lalàn’Andriamanitra. Ny fitiavantsika an’i Jehovah anefa no tena antony ankatoavantsika azy. Tsy noho ny fitiavan-tena no anompoantsika an’Andriamanitra. (Joba 1:9-11; 2:4, 5) Navelany hifidy izay tiantsika hankatoavina isika. Mifidy ny hankatò an’i Jehovah isika, satria te hampifaly azy sy te hanao ny tsara.—Romanina 6:16, 17; 1 Jaona 5:3.

16, 17. a) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa nankatò an’Andriamanitra noho ny fitiavana izy? b) Ahoana no anahafantsika azy?

16 I Jesosy no ohatra tsara indrindra, raha ny amin’ny fankatoavana an’i Jehovah noho ny fitiavana. (Jaona 8:28, 29) “Nianatra nankatò avy tamin’ny zavatra niaretany” izy, fony tetỳ an-tany. (Hebreo 5:8, 9) Tamin’ny fomba ahoana? ‘Nanetry tena izy ka nankatò ary tonga hatramin’ny fahafatesana ny fankatoavany, eny, fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana.’ (Filipianina 2:7, 8) Marina fa efa nankatò i Jesosy tany an-danitra. Voaporofo anefa fa tena mpankatò izy, rehefa niharam-pitsapana tetỳ an-tany. Afaka matoky isika fa mahafeno fepetra ho Mpisoronabe izy, mba hanompo an’ireo rahalahiny sy ny olon-kafa mino.—Hebreo 4:15; 1 Jaona 2:1, 2.

17 Ahoana kosa ny amintsika? Manahaka an’i Jesosy isika, raha ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra amintsika. (1 Petera 2:21) Ho afa-po isika raha mankatò an’i Jehovah noho ny fitiavana azy, na dia iharan’ny fanerena na fakam-panahy aza indraindray. (Romanina 7:18-20) Mankatò an’i Jehovah isika, raha vonona hankatò ny tari-dalan’ireo mitarika eo anivon’ny fivavahana marina, na dia tsy lavorary aza izy ireo. (Hebreo 13:17) Sarobidy amin’i Jehovah ny fankatoavantsika ny didiny, eo amin’ny fiainantsika manokana.

18, 19. Inona no vokany raha mankatò an’i Jehovah amin’ny fo manontolo isika?

18 Mety ho tonga hatramin’ny fiaretana fanenjehana ny fankatoavantsika an’i Jehovah, mba hanaporofoana fa tsy mivadika isika. (Asan’ny Apostoly 5:29) Mila miaritra hatramin’ny faran’ity tontolo ity koa isika, mba hankatoavana ilay didin’i Jehovah hitory sy hampianatra. (Matio 24:13, 14; 28:19, 20) Mila miaritra isika mba hivoriana tsy tapaka miaraka amin’ireo rahalahintsika, na dia mety ho reraka aza isika noho ny faneren’ity tontolo ity. Mahafantatra tsara ireny ezaka ataontsika ireny ilay Andriamanitsika be fitiavana. Raha tena te hankatò tanteraka an’i Jehovah anefa isika, dia tsy maintsy miezaka mafy mba handresy ny faniriantsika hanota. Tsy hanao ratsy koa isika, ary hiezaka ho tia ny tsara.—Romanina 12:9.

19 ‘Hamaly soa’ antsika i Jehovah raha “mitady azy fatratra” isika, ka manompo azy noho ny fitiavana sy ny fankasitrahana. (Hebreo 11:6) Marina fa ilaina sady ankasitrahan’i Jehovah ny fanatitra. Ny tena mahafaly azy anefa, dia ny fankatoavana azy amin’ny fo manontolo sy noho ny fitiavana.—Ohabolana 3:1, 2.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no azontsika omena an’i Jehovah?

• Inona no fahadisoana nataon’i Saoly?

• Inona no tokony hataonao, raha mino ianao hoe ny mankatò no tsara noho ny fanatitra?

• Inona no antony hankatoavanao an’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

Inona no ho tsapan’ny dokotera be fitiavana iray, raha tsy miraharaha ny toroheviny ny marary?

[Sary, pejy 28]

Nahoana i Saoly Mpanjaka no tsy nankasitrahan’i Jehovah intsony?

[Sary, pejy 30]

Mankatò ny didin’Andriamanitra ve ianao rehefa tsy misy mahita?