Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Nahoana no papelika no nomen’Andriamanitra ny Israelita tany an-tany efitra?

Indroa Andriamanitra no nanome papelika be dia be ho sakafon’ny Israelita, taorian’ny nanafahana azy ireo tany Ejipta.—Eksodosy 16:13; Nomery 11:31.

Vorona kely ny papelika. Tokotokony ho 18 santimetatra ny halavany ary 100 grama eo ho eo ny lanjany. Any amin’ny faritra maro any andrefan’i Azia sy Eoropa izy ireo no mikotrika. Mpifindrafindra monina izy ireo, ka any Afrika Avaratra sy any Arabia no misy azy rehefa ririnina. Andiany maro be no mamakivaky ny sisiny atsinanan’ny Ranomasina Mediterane, rehefa mifindra monina, ary mandalo any amin’ny Saikinosin’i Sinay.

Milaza ny Diksionera Vaovaon’i Westminster Momba ny Baiboly (anglisy) fa “tena mahay manidina” ny papelika “sady manidina haingana. Manararaotra ny fitsokan’ny rivotra izy ireo amin’izany. Raha miova tampoka anefa ny fitsokan’ny rivotra na nanidina ela loatra ilay andiany manontolo ka reraka be, dia mety hilatsaka amin’ny tany. Mety ho fanina izy ireo ka tsy afaka manidina.” Tsy maintsy maka aina iray na roa andro àry aloha izy ireo vao afaka manidina indray. Mora amin’ny mpihaza noho izany ny misambotra azy. Nanondrana papelika telo tapitrisa teo ho eo isan-taona i Ejipta, tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20, mba hatao sakafo.

Tamin’ny lohataona i Jehovah no nanome papelika ny Israelita. Marina fa manidina eny amin’ny faritr’i Sinay ny papelika isaky ny lohataona. I Jehovah anefa no nampisy “rivotra nitsoka tampoka”, mba hahatonga azy ireny hilatsaka tao an-tobin’ny Israelita.—Nomery 11:31.

Inona ilay “fetin’ny fitokanana” resahin’ny Jaona 10:22?

Nasain’Andriamanitra nankalaza fety telo ny Jiosy. Voalohany, ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay, nankalazaina tamin’ny fiandohan’ny lohataona. Faharoa, ny Fetin’ny Pentekosta, nankalazaina tamin’ny faran’ny lohataona. Farany, ny Fetin’ny Fanangonam-bokatra, nankalazaina tamin’ny fararano. Tamin’ny “ririnina” anefa ilay fety resahin’ny Jaona 10:22, izay nankalazana an’ilay fitokanana fanindroany ny tempolin’i Jehovah, tamin’ny 165 T.K. Naharitra valo andro izy io, nanomboka tamin’ny 25 Kisleo, volana jiosy, ka hatramin’ny fiverenan’ny masoandro tamin’ny faran’ny ririnina. Inona no nahatonga an’io fankalazana io?

Niezaka nanafoana ny fivavahana jiosy sy ny fanaony i Antiokosa Faha-4 (Epifana), mpanjaka syrianina taranak’i Séleucus, tamin’ny 168 T.K. Nasiany alitara fanompoan-tsampy àry teo ambonin’ny alitaran’i Jehovah, tao amin’ny tempoly tao Jerosalema. Teo izy no nanao sorona ho an’i Zeosy, andriamanitra grika.

Nahatonga ny Makabeo hikomy izany. Niady tamin’ny taranak’i Séleucus i Jodasy Makabeo, mpitarika jiosy, ka izy indray no nifehy an’i Jerosalema. Nasainy noravana ilay alitara voaloto, ary nosoloana vaovao. Notokanan’i Jodasy ho an’i Jehovah indray ilay tempoly voadio, telo taona katroka taorian’ilay nandotoana azy io. Nanomboka tamin’izay ny Jiosy no nankalaza ny “fetin’ny fitokanana” (hanokkah amin’ny teny hebreo), isaky ny Desambra. Hanoukka no iantsoana an’io fety io ankehitriny.

[Sary, pejy 14]

Sarin’i Jodasy Makabeo, Lyon, 1553

[Sary nahazoan-dalana, pejy 14]

Avy amin’ny boky Wood’s Bible Animals. 1876