Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lehilahy Iray Sitraky ny Fon’i Jehovah

Lehilahy Iray Sitraky ny Fon’i Jehovah

Lehilahy Iray Sitraky ny Fon’i Jehovah

INONA no tonga ao an-tsainao momba an’i Davida, ilay voaresaka ao amin’ny Baiboly? Ilay izy nandresy an’i Goliata, Filistinina goavam-be ve? Sa ilay izy nitsoaka tany an-tany efitra, noho izy nankahalain’i Saoly Mpanjaka? Sa ny fahotana nataony tamin’i Batseba sy ny olana niaretany vokatr’izany? Sa ny poezia nosoratany, izay voarakitra ao amin’ny Salamo?

Nifamahofaho teo amin’ny fiainan’i Davida ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny fandresena tamin’ny ady ary ny olana. Ny tena mahaliana anefa, dia ny tenin’i Samoela mpaminany hoe ho “lehilahy sitraky ny [fon’i Jehovah]” izy.—1 Samoela 13:14.

Mbola ankizy i Davida, dia efa tanteraka io tenin’i Samoela io. Tianao ve ny hantsoina hoe olona sitraky ny fon’i Jehovah? Andeha àry hojerentsika hoe inona tamin’ny nataon’i Davida, indrindra tamin’ny fahatanorany, no hanampy anao ho olona sitraky ny fon’i Jehovah.

Ny fianakaviany sy ny anton’asany

Nanana rahalahy fito sy anabavy roa i Davida. I Jese, zafikelin’i Rota sy Boaza, no rainy. Mpanompon’i Jehovah nahafoy tena izy io. Mbola kely ireo zanany dia efa nampianariny ny Lalàn’i Mosesy. Tsy miresaka ny anaran’ny renin’i Davida kosa ny Baiboly. Nilaza izy ao amin’ny salamo iray nosoratany fa zanaky ny ‘mpanompovavin’i Jehovah’ izy. (Salamo 86:16) Izany no nahatonga ny sasany hilaza fa nanampy azy hifandray tamin’Andriamanitra koa ny reniny. Milaza ny manam-pahaizana iray fa “mety ho avy tamin’ny reniny no nandrenesan’i Davida voalohany ny fomba nifandraisan’Andriamanitra tamin’ny vahoakany”, anisan’izany ny tantaran’i Rota sy Boaza.

Miresaka voalohany momba an’i Davida ny Baiboly, tamin’izy mbola ankizy ary niandry ny ondrin-drainy. Mety ho voatery nijanona irery andro aman’alina tany an-tsaha izy tamin’izany. Eritrereto ange izany e!

Nonina tao Betlehema ry Davida. Tanàna kely eo an-tampon-kavoanan’i Joda izy io, saingy somary misolampy any amin’ny tehezan-kavoana. Be vato ny tany any, kanefa mamokatra tsara. Feno saham-boankazo sy sahan’oliva ary tanimboaloboka ny lohasaha sy ny tehezan-kavoana tsy dia mideza loatra. Kijana fihinanam-bilona ireo toerana avo tsy nambolena. Any ambadika kosa ny tany efitr’i Joda.

Mety ho nampidi-doza ny asan’i Davida. Nisy liona sy orsa niremby ny ondriny, ohatra, tany amin’ireo havoana ireo. * Be herim-po anefa i Davida, na dia mbola kely aza, ka nanenjika sy namono an’ireny biby mpiremby ireny, ary naka ny ondry avy teny am-bavany. (1 Samoela 17:34-36) Tamin’izay angamba izy no lasa nahay nampiasa pilotra. Tsy lavitra ny tanànany no misy ny faritanin’i Benjamina. Avy tao no nisy an’ireo lehilahy tena nahitsy toraka ka “tsy nisy nivaona na dia hoatran’ny singam-bolo iray aza.” Nahitsy toraka toy izany koa i Davida.—Mpitsara 20:14-16; 1 Samoela 17:49.

Tsy very maina ny fotoana

Amin’ny ankamaroan’ny fotoana, dia mangina sy mitokana ny asa fiandrasana ondry. Tsy nankaleo an’i Davida anefa izany. Afaka nisaintsaina kosa aza izy. Mety ho zavatra nosaintsaininy tamin’izy mbola tanora ireo zavatra sasany voarakitra ao amin’ny salamo. Tamin’izy nitokana angamba no nieritreretany ny antony isian’ny olona eo amin’izao rehetra izao sy nandinihany an’ireo zavatra eny amin’ny lanitra, dia ny masoandro sy volana ary kintana, izay ‘asan’ny rantsantanan’i Jehovah.’ Mety ho tamin’izy tany an-tsaha tany Betlehema no nandinihany an’ilay tany mahavokatra, ny ondry aman’osy sy omby, ny voro-manidina ary ny “biby any an-tsaha.”—Salamo 8:3-9; 19:1-6.

Azo antoka fa tamin’i Davida niandry ondry no nahatsapany bebe kokoa fa tena tsara fanahy amin’ireo tsy mivadika aminy i Jehovah. Hoy izy: “I Jehovah no Mpiandry ahy. Tsy ho ory na inona na inona aho. Mampandry ahy eny amin’ny toerana rakotra ahi-maitso izy, ary mitondra ahy eny amin’ny toeram-pialan-tsasatra azon-drano tsara. Na dia mamakivaky lohasaha maizim-pito aza aho, dia tsy misy loza atahorako, satria ianao no eo anilako. Ny tsorakazonao sy ny tehinao no manome toky ahy.”—Salamo 23:1, 2, 4.

Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Inona no ifandraisan’izany amiko?’ Mety ho lasa ‘sitraky ny fon’i Jehovah’ ianao raha manao toa an’i Davida. Nisaintsaina sy nandinika lalina ny asan’i Jehovah sy ny fifandraisany taminy mantsy izy, ka izany no anisan’ny nahatonga azy ho akaiky an’i Jehovah sy hantsoina hoe “lehilahy sitraky ny fony.”

Nisy fotoana ve ianao efa nidera sy nanome voninahitra ny Mpamorona rehefa avy nandinika tsara ny asan’ny tanany? Lasa tia an’i Jehovah ve ianao rehefa nahita ny toetrany avy tamin’izay nataony ho an’ny olombelona? Mazava ho azy fa tsy hankasitraka azy ianao, raha tsy manokana fotoana mangina hivavahana sy hisaintsainana ny Teniny sy ny zavatra noforoniny. Hahafantatra tsara an’i Jehovah ianao amin’izay, ka ho tia azy. Afaka ny ho toy izany, na antitra na tanora. Azo inoana fa mbola tanora i Davida, dia efa akaiky an’i Jehovah. Ahoana no ahafantarantsika an’izany?

Voahosotra ho mpanjaka

Tsy nahafeno fepetra hitarika ny vahoakan’Andriamanitra intsony i Saoly, ka hoy i Jehovah tamin’i Samoela: “Mandra-pahoviana ianao no halahelo noho ny amin’i Saoly, nefa izaho efa nanda azy tsy ho mpanjakan’ny Israely? Fenoy menaka ilay tandroka any aminao, ka mandehana. Hirahiko ho any amin’i Jese Betlehemita ianao, fa efa nahita mpanjaka ho ahy aho, eo amin’ireo zanany lahy.”—1 Samoela 16:1.

Rehefa tonga tany Betlehema i Samoela, dia nasainy nantsoin’i Jese ireo zanany lahy. Iza amin’izy ireo no hosoran’io mpaminany io ho mpanjaka? Vao hitany i Eliaba, ilay lahimatoa izay sady tsara bika no tsara tarehy, dia nihevitra izy hoe: ‘Io no izy.’ Hoy anefa i Jehovah: “Aza mijery ny bika aman’endriny sy ny haavon’ny tsanganany, fa efa nolaviko izy. Fa tsy toy ny fijerin’ny olona ny fijerin’Andriamanitra, satria ny olona mijery izay hitan’ny maso, fa i Jehovah kosa mijery ny fo.” Nolavin’i Jehovah koa i Abinadaba sy Sama ary ny efatra hafa. “Farany, dia hoy i Samoela: ‘Ireo daholo ve ny lahy rehetra?’ Dia hoy i Jese: ‘Ilay faralahy sisa no tsy eo, fa mbola miandry ondry.’ ”—1 Samoela 16:7, 11.

Hoatran’ny te hilaza i Jese hoe: ‘Tsy i Davida mihitsy angamba ilay tadiavinao.’ I Davida mantsy no zandriny indrindra sy tsy dia nisy niraharaha indrindra teo anivon’ny fianakaviany, ka izy no natao mpiandry ondry. Izy anefa no nofidin’i Jehovah. Mandinika ny fo i Jehovah, ka azo antoka fa nahita zavatra tena tsara tao aminy. Rehefa nampiantso azy àry i Jese, dia hoy i Jehovah tamin’i Samoela: “ ‘Mitsangàna, ka hosory izy, fa io no izy!’ Koa naka an’ilay tandroka nisy menaka i Samoela, ka nanosotra an’i Davida teo anivon’ireo rahalahiny. Ary niasa tamin’i Davida ny fanahin’i Jehovah, nanomboka tamin’iny andro iny.”—1 Samoela 16:12, 13.

Tsy voalaza hoe firy taona i Davida tamin’izay. Taoriana kelin’io anefa, dia lasa miaramilan’i Saoly i Eliaba sy Abinadaba ary Sama, zokiny. Mety ho mbola kely loatra ireo dimy hafa, ka tsy nandeha tany. Mbola tsy feno 20 taona angamba izy ireo. Eo amin’io taona io mantsy ny lehilahy no mirotsaka ho miaramila tamin’ny andron’ny Israely. (Nomery 1:3; 1 Samoela 17:13) Na ahoana na ahoana, dia tena mbola kely i Davida rehefa nifidy azy i Jehovah. Efa tena nifandray tamin’i Jehovah anefa izy tamin’izay. Azo antoka fa noho izy nisaintsaina an’izay fantany momba an’Andriamanitra no nahatonga an’izany.

Tokony hampirisihina hanao toy izany koa ny tanora ankehitriny. Ry ray aman-dreny, ampirisihinareo ve ny zanakareo mba hisaintsaina momba an’Andriamanitra, sy handinika ny zavaboary, ary hianatra izay lazain’ny Baiboly momba ny Mpamorona? (Deoteronomia 6:4-9) Manao an’izany ve ianareo tanora, na tsy misy mampirisika aza? Natao hanampiana anareo ny boky ara-baiboly, toy ny Mifohaza! sy Ny Tilikambo Fiambenana. *

Nahay nitendry harpa

Miresaka ny fiainan’i Davida tamin’izy niandry ondry koa ny ankamaroan’ny hira nataony. Marina aloha fa tsy fantatsika intsony ny feon’ireo hira masina ireo. Fantatsika anefa fa tena nahay nitendry zavamaneno ilay namorona azy ireny. Nahay nitendry harpa i Davida, ka izany mihitsy aza no antony niantsoana azy avy tany amin’ny fiandrasana ondry mba hitendry ho an’i Saoly.—1 Samoela 16:18-23. *

Taiza ary oviana no nahazoan’i Davida ny fahaizany? Mety ho tamin’izy niandry ondry. Azo antoka àry fa mbola tanora izy dia efa nanao hira fiderana ho an’Andriamanitra. Sady tsy noho izy nahafoy tena sy tsy nivadika koa ve moa no nifidianan’i Jehovah azy?

Vao ny tantaran’i Davida tamin’izy tanora no hitantsika teo. Hita avy amin’ny teniny anefa fa tsy niova izy nandritra ny androm-piainany, tsy nisy hafa tamin’ilay izy teny an-tsaha tany Betlehema. Mariho ity hirany ho an’i Jehovah ity: “Mahatsiaro ny andro fahiny aho. Misaintsaina ny zava-drehetra nataonao aho, ary ny asan’ny tananao foana no tiako hoeritreretina.” (Salamo 143:5) Mandrisika an’ireo rehetra maniry ho sitraky ny fon’i Jehovah tokoa ny hakanton’io salamo io, sy ny salamo maro hafa nataon’i Davida!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Tany Palestina no nahitana ny orsa syrianina mivolontsôkôlà, izay milanja 140 kilao eo ho eo ary mety hahafaty olona na biby rehefa mamely amin’ireo tanany goavana. Feno liona koa tany. Milaza ny Isaia 31:4 fa na “tafangona daholo aza ny mpiandry ondry” rehetra, dia tsy afaka mandroaka “liona tanora” avy eo amin’ny rembiny.

^ feh. 20 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 22 Nilaza koa ilay mpanolo-tsaina nanolo-kevitra ny hiantsoana an’i Davida fa ‘nahay nandaha-teny izy sady tsara bika, ary nomba azy i Jehovah.’—1 Samoela 16:18.