Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nisy Nanendrikendrika

Nisy Nanendrikendrika

Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora:

Nisy Nanendrikendrika

JOSEFA—FIZARANA 2

Toromarika: Tsara raha amin’ny toerana mangina ianao no mamaky ny andinin-teny eto ambany. Alao sary an-tsaina ilay tantara. Ataovy toy ny hoe teo mihitsy ianao, ka renao ny feo manodidina sy ny olona miteny, ary tsapanao ny fihetseham-pon’ireo olona asongadina ao.

Mpandray anjara: Josefa, Potifara sy ny vadiny

Famintinana: Nogadraina i Josefa na dia tsy nanao ratsy akory aza. Nampian’i Jehovah anefa izy.

1 ALAO SARY AN-TSAINA ILAY TANTARA.VAKIO NY GENESISY 39:7, 10-23.

Araka ny hevitrao, nety ho nanao ahoana ny feon’ny vadin’i Potifara tamin’izy nanendrikendrika an’i Josefa?

․․․․․

Mety ho hoatran’ny ahoana ilay fonja?

․․․․․

Inona no nahazo an’i Josefa tamin’izy vao nigadra? (Jereo ny Salamo 105:17, 18.)

․․․․․

2 FAKAFAKAO ILAY TANTARA.

Inona no mety ho noeritreretin’i Josefa, raha tsy tena nino izy hoe afaka manampy azy i Jehovah? (Jereo ny Joba 30:20, 21.)

․․․․․

Ahoana no ahalalantsika fa tsy nieritreritra i Josefa hoe i Jehovah no nahatonga azy hijaly? (Jereo ny Genesisy 40:8; 41:15, 16.)

․․․․․

Araka ny hevitrao, inona no toetra nanampy an’i Josefa hiaritra? (Vakio sy saintsaino ireto: Mika 7:7; Lioka 14:11; Jakoba 1:4.)

․․․․․

Inona no andraikitra azon’i Josefa tamin’izy tany am-ponja? Ary inona no soa azony avy tamin’izany tatỳ aoriana? (Jereo ny Genesisy 39:21-23; 41:38-43.)

․․․․․

3 AMPIHARO IZAY NIANARANAO. SORATY ETO IZAY NIANARANAO MOMBA AN’IRETO:

Inona no soa azo rehefa miaritra?

․․․․․

Inona no zavatra azonao ianarana rehefa manana olana ianao?

․․․․․

Inona no ataon’i Jehovah rehefa misy zavatra mahazo antsika?

․․․․․

FAMPIHARANA HAFA.

Efa niady saina sy nanirery ve ianao? Azo inoana anefa fa nanampy anao i Jehovah tamin’izay. Inona no mety hoe nataony? (Vakio sy saintsaino ny 1 Korintianina 10:13.)

․․․․․

4 INONA NO HITANAO HOE TENA MAHASOA ANAO AMIN’IO TANTARA IO? NAHOANA?

․․․․․

Tsy manana Baiboly ve ianao? Mangataha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah na vakio izany, ao amin’ny www.watchtower.org