Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | INONA NO HANAMPY ANAO HO TIA MAMAKY BAIBOLY?

Afaka Manatsara ny Fiainanao ny Baiboly

Afaka Manatsara ny Fiainanao ny Baiboly

Tsy toy ny boky hafa ny Baiboly. Misy ny torohevitry ny Mpamorona antsika ao. (2 Timoty 3:16) Afaka manova antsika ny hafatra raketiny. Hoy mantsy ny Hebreo 4:12: “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra.” Afaka manatsara ny fiainantsika ny Baiboly. Manome tari-dalana antsika izy io sady manampy antsika hahalala an’Andriamanitra sy ny fikasany.—1 Timoty 4:8; Jakoba 4:8.

Manome tari-dalana eo amin’ny fiainana. Misy torohevitra mahasoa antsika tsirairay ao amin’ny Baiboly. Manampy antsika izy io mba...

Mpivady tanora any Azia i Vicent sy Annalou. Hitan’izy ireo hoe tena mahasoa ny torohevitry ny Baiboly. Hoatran’ny mpivady vao rehetra, dia mbola niezaka nifankazatra sy nianatra nifampiresaka tsara izy ireo. Nanomboka nampihatra an’izay novakiny tao amin’ny Baiboly anefa izy mivady. Inona ny vokany? Hoy i Vicent: “Nanampy ahy ho be fitiavana izany rehefa misy olana ao an-tokantranonay. Sambatra kokoa izahay roa satria manaraka an’izay lazain’ny Baiboly.” Hoy koa i Annalou: “Nanampy anay ny tantaran’olona ao amin’ny Baiboly. Sambatra am-panambadiana izahay izao, ary manana tanjona tsara eo amin’ny fiainana.”

Manampy hahalala an’Andriamanitra. Nilaza koa i Vicent hoe: “Mahatsiaro ho akaiky kokoa an’i Jehovah aho hatramin’ny namakiako Baiboly.” Tena afaka manampy anao hahalala an’Andriamanitra àry ny Baiboly. Handray soa avy amin’ny toroheviny ianao rehefa mamaky azy io, ary afaka ny ho lasa namany. Ho hitanao koa fa mampanantena hoavy tena tsara ho anao izy, dia ny “tena fiainana” izay haharitra mandrakizay. (1 Timoty 6:19) Ny Baiboly ihany no boky miresaka an’izany.

Handray soa koa ianao raha manomboka mamaky Baiboly sady mamaky azy io foana. Hihatsara ny fiainanao dieny izao, ary hahalala an’Andriamanitra ianao. Mety hisy fanontaniana maro hanitikitika ny sainao anefa eo am-pamakiana azy io. Hoatr’izany no nitranga tamin’ilay tandapa etiopianina, 2 000 taona lasa izay. Tadidio ny modely nomeny. Hoy izy rehefa nanontaniana raha azony izay novakiny: “Ahoana moa no hahazoako azy raha tsy misy manoro ahy?” * Faly erỳ izy nanaiky ny fanampian’i Filipo. Mpianatr’i Jesosy mantsy i Filipo, ary hainy tsara ny Baiboly. (Asan’ny Apostoly 8:30, 31, 34) Tianao ho azo koa ve izay lazain’ny Baiboly? Fenoy àry ilay fangatahana ao amin’ny www.dan124.com/mg. Na jereo ny adiresy ato amin’ity gazety ity, ary manorata any amin’izay akaiky anao indrindra. Azonao iresahana koa ny Vavolombelon’i Jehovah, na mankanesa any amin’ny Efitrano Fanjakana eny akaikinareo. Atombohy androany àry ny famakiana Baiboly e! Hanampy anao hanana fiainana tsara kokoa izany.

Raha tsy tena matoky an’izay lazain’ny Baiboly ianao, dia mba jereo ilay video fohy hoe Tena Marina ve Izay Lazain’ny Baiboly? Ampiasao ilay kaody QR, na midira ao amin’ny jw.org/mg, ao amin’ilay hoe ZAVATRA MISY > VIDEO > NY BAIBOLY

^ feh. 8 Misy torohevitra hafa avy ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny tranonkalanay jw.org/mg. Jereo ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY.

^ feh. 11 Jereo ato koa ilay lahatsoratra hoe “Tsy Maninona ve Raha Diso Fandray Hevitra Isika?