Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 HO AN’NY FIANAKAVIANA | FANAMBADIANA

Aza Mitana Lolompo

Aza Mitana Lolompo

OLANA

Nankarary ny fonao ny tenin’ny vadinao na ny zavatra nataony, ary tsy mety hadinonao mihitsy ilay izy. Sosotra àry ianao ka mitana lolompo aminy, na dia tianao be aza izy taloha. Hoatran’ny tsy manan-tsafidy izany ianao. Toa tsy mifankatia intsony ianareo fa tsy maintsy miray trano fotsiny. Vao mainka àry ianao tezitra amin’ny vadinao, hoe dia izao ve no ho fiainana.

Matokia fa azo ovana izany. Ireto aloha misy zavatra vitsivitsy tokony ho fantatrao.

TSARA HO FANTATRA

Tsy mitondra mankaiza ny lolompo, fa vao mainka misakana anareo tsy hifankatia

Mety handrava tokantrano ny lolompo. Nahoana? Satria rehefa mitana lolompo ny mpivady, dia lasa tsy mifampatoky, tsy mifankatia, ary tsy mifanohana intsony. Ireo toetra ireo anefa no fototra iorenan’ny fanambadiana. Tadidio fa tsy vokatry ny olana ao an-tokantrano ny lolompo, fa ny lolompo mihitsy no tena olana ho an’ny tokantrano. Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza hoe: “Aoka hesorina tsy ho eo aminareo ny lolompo rehetra.”Efesianina 4:31.

Ianao fotsiny no harary fo, raha mitana lolompo. Hoy i Mark Sichel, ao amin’ilay boky hoe Manasitrana Fo Maratra (anglisy): “Ilay olona mahasosotra anao ao an-trano izao mety hoe tsy mieritreritra na inona na inona, fa falifaly sady milamina tsara ny fiainany.” Raha mitana lolompo àry ianao, dia hoatran’ny hoe mamely totohondry ny tenanao, nefa manantena hoe ny vadinao no harary! Hoy ihany i Sichel: “Ianao no tena harary fo raha mitana lolompo, fa tsy ilay olona mahasosotra anao.”

Raha mitana lolompo ianao, dia hoatran’ny hoe mamely totohondry ny tenanao, nefa manantena hoe ny vadinao no harary!

Afaka misafidy ianao na hitana lolompo na tsia. Misy olona tsy mino an’izany. Mieritreritra izy hoe ny vadiny no nahatonga azy ho tezitra. Tsy mety anefa ny mifantoka amin’izany, satria tsy azonao baikoina izay hataon’olon-kafa. “Aoka kosa ny tsirairay samy handinika izay ataony avy”, hoy ny Baiboly. (Galatianina 6:4) Tsy azonao sakanana ny olona, amin’izay lazainy sy ataony, fa ianao  kosa afaka mifidy hoe inona no hataonao na havalinao azy. Tsy voatery hitana lolompo ianao, fa misy zavatra hafa azonao atao.

INONA NO AZONAO ATAO?

Tadidio fa misy andraikitrao koa ilay izy. Marina aloha fa mety tonga dia hanome tsiny ny vadinao ianao. Tadidio anefa fa afaka misafidy ianao: Na hitana lolompo, na hamela heloka. Mampirisika ny Baiboly hoe: ‘Aza avela ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranao.’ (Efesianina 4:26) Raha mamela heloka ianao, dia ho vonona kokoa hitady vahaolana mba hampilamina ny tokantranonao.—Toro lalan’ny Baiboly: Kolosianina 3:13.

Miezaha handini-tena amin’ny saina tsy miangatra. Milaza ny Baiboly fa misy olona “mora tezitra” sy “mora misafoaka.” (Ohabolana 29:22) Hoatr’izany koa ve ianao? Saintsaino hoe: ‘Izaho ve mora tohina? Matetika ve aho no kizitina na sarotsarotiny amin-javatra tsy dia misy dikany?’ Hoy ihany ny Baiboly: ‘Izay mbola miresaka momba ny raharaha efa nivalona dia mampisaraka ny tena mpinamana.’ (Ohabolana 17:9; Mpitoriteny 7:9) Tsy ny mpinamana ihany no mety hisaraka amin’izany fa ny mpivady koa. Raha tsapanao àry fa mora tezitra ianao, dia mieritrereta hoe: ‘Mba afaka mandefitra kokoa amin’ny vadiko ve aho?’—Toro lalan’ny Baiboly: 1 Petera 4:8.

Mahaiza mandefitra. Milaza ny Baiboly hoe: “Misy fotoana anginana ary misy fotoana itenenana.” (Mpitoriteny 3:7) Hoy koa ny Salamo 4:4: ‘Tazòny ao am-ponao ihany ny teninao, eo am-pandriana. Ary aoka ianao hangina.’ Tsy voatery holazaina daholo àry izay zavatra mahatezitra. Ahoana anefa raha tsy tantinao ilay izy, fa mila resahina? Andraso aloha ho afaka ny fonao. Hoy i Beatriz: ‘Rehefa tezitra aho, dia miezaka ho tony aloha. Tsapako indraindray hoe hay tsy misy dikany akory ilay izy. Mba tsy masiaka aho avy eo rehefa miresaka amin’ny vadiko.’—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 19:11.

Aza raisina am-po ilay izy fa avelao ho any. Avy amin’ny teny hebreo na grika midika hoe “mamela handeha” na “tsy mitazona” ny hoe “mamela heloka”, ao amin’ny Baiboly. Raha mamela heloka àry ianao, dia tsy voatery hoe hamaivaninao ilay fahadisoana na koa ataonao hoatran’ny tsy nisy. Avelanao amin’izao fotsiny kosa ilay izy, mba hahasoa anao sy hampilamina ny tokantranonao.