Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Fandeferana

Fandeferana

Mihavana tsara amin’ny hafa isika rehefa mandefitra sy mamela heloka. Tokony handefitra foana ve anefa isika?

Inona no hanampy anao hahay handefitra kokoa?

ZAVA-MISY

Vao mainka tsy mifandefitra ny olona eran-tany noho ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ny fanindrahindrana foko na firenena. Mafana fo tafahoatra amin’ny fivavahany koa ny olona.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Tsy nifandefitra ny olona, tamin’i Jesosy Kristy tetỳ an-tany. Ny Jiosy sy ny Samaritanina no tena nifankahala. (Jaona 4:9) Noheverina ho ambany noho ny lehilahy ny vehivavy. Nanambany ny vahoaka koa ny mpitondra fivavahana jiosy. (Jaona 7:49) Tsy toy izany anefa i Jesosy. Hoy ny fahavalony: “Ilehio mandray tsara ny mpanota sady miara-mihinana aminy.” (Lioka 15:2) Tsara fanahy sy nanam-paharetana ary nandefitra i Jesosy. Tsy tonga mba hitsara ny olona mantsy izy fa mba hampianatra azy ireo momba an’Andriamanitra. Ny fitiavana no tena nandrisika azy.—Jaona 3:17; 13:34.

Nandefitra i Jesosy ka tsy nitsara ny olona, fa nampianatra azy ireo momba an’Andriamanitra

Hahay handefitra kokoa isika raha manam-pitiavana. Izy io no handrisika antsika ho tia ny hafa na dia tsy lavorary aza izy ireo. Hoy ny Kolosianina 3:13: “Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany.”

“Ambonin’ny zavatra rehetra, dia mifankatiava fatratra, satria manarona fahotana maro be ny fitiavana.” 1 Petera 4:8.

Nahoana no tokony hisy fetrany ny fandeferana?

ZAVA-MISY

Firenena maro no mamaritra hoe inona no zavatra azo atao sy tsy azo atao, satria te hitandro ny filaminana izy ireo.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

“Tsy manao izay tsy mahamendrika” ny fitiavana. (1 Korintianina 13:5) Tia nandefitra i Jesosy, nefa tsy noleferiny mihitsy ny fitondran-tena ratsy sy ny fihatsarambelatsihy ary ny fanao ratsy hafa. Sahy nanameloka an’ireny fanao ireny izy. (Matio 23:13) Hoy izy: “Izay zatra manao ratsy dia mankahala ny mazava”, na ny fahazavan’ny fahamarinana.—Jaona 3:20.

Hoy ny apostoly Paoly: “Ankahalao ny ratsy, mifikira amin’ny tsara.” (Romanina 12:9) Nampihatra an’izany izy. Jiosy izy nefa sahy niteny rehefa nisy Kristianina jiosy nihatakataka tamin’ny Kristianina hafa firenena. (Galatianina 2:11-14) Fantany fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra”, ka tsy handefitra mihitsy izy raha mifanavakavaka ny vahoakany.—Asan’ny Apostoly 10:34.

Kristianina ny Vavolombelon’i Jehovah, ka manaraka ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena. (Isaia 33:22) Tsy mandefitra mihitsy àry izy ireo rehefa misy manao ratsy eo anivony. Tsy tokony havela handoto ny fiangonana kristianina ny olona tsy mankatò ny fitsipik’Andriamanitra. Noho izany, dia manaraka an’ity lazain’ny Baiboly ity izy ireo: “Esory tsy ho eo aminareo ilay mpanao ratsy.”—1 Korintianina 5:11-13.

“Ianareo izay tia an’i Jehovah, ankahalao ny ratsy.”Salamo 97:10.

Handefitra foana amin’ny faharatsiana ve Andriamanitra?

INONA NO INOAN’NY OLONA?

Hanao ratsy foana ny olona satria efa izay no maha izy azy.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Nivavaka tamin’i Jehovah i Habakoka mpaminany hoe: ‘Nahoana no jerenao fotsiny ny faharatsiana? Nahoana no misy fandrobana sy herisetra eo anoloako, ary nahoana no misy fifamaliana sy fifandirana?’ (Habakoka 1:3) Hitan’Andriamanitra hoe niady saina io mpaminany io, ka nomeny toky hoe mbola hataony ampamoaka ny ratsy fanahy. ‘Tsy maintsy ho tanteraka izany’, hoy izy, ary “tsy ho tara.”—Habakoka 2:3.

Afaka miova anefa ny mpanao ratsy, mandra-pahatongan’izany. “ ‘Sitrako ve ny hahafatesan’ny ratsy fanahy’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘fa tsy ny hialany amin’ny ratsy fanaony mba ho velona izy?’ ” (Ezekiela 18:23) Afaka manantena hoavy sambatra ireo mitady an’i Jehovah ka miala amin’ny ratsy fanaony. Hoy ny Ohabolana 1:33: ‘Tsy hanana ahiahy izay mihaino ahy, sady tsy mba hiady saina noho ny fahatahorana loza.’

‘Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy. Ny mpandefitra no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.’Salamo 37:10, 11.