Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO TENA MAHASAMBATRA?

Mamela Heloka

Mamela Heloka

“NIFANOMPA SY NIFAMPIVAZAVAZA NY TAO AN-TRANO, TAMIN’IZAHO MBOLA KELY”, hoy i Patricia. “Lasa tsy nahay namela heloka aho, na dia efa lehibe aza. Tsy nisinda vetivety izany ny hatezerako fa naharitra andro maromaro, ka tsy nahita tory aho.” Tsy ho sambatra tokoa ny olona tezi-dava sy mitana lolompo sady tsy ho salama. Hitan’ny mpikaroka fa raha tsy mamela heloka ny olona iray dia mety...

  • tsy hifandray tsara amin’ny hafa ka lasa mitokantokana

  • ho mora tezitra, hiady saina, na ho kivy be

  • hifantoka be amin’ilay fahadisoana ka tsy ho faly amin’ny fiainana

  • hikorontan-tsaina satria fantany hoe tokony hamela izy

  • vao mainka hiady saina sady hatahorana harary, ohatra hoe hiakatra tosidra, harary fo, ho voan’ny aretin’ny tonon-taolana, na harary andoha *

MAMELA HELOKA ianao raha mamindra fo amin’izay nanao zavatra tsy nety taminao, tsy tezitra aminy intsony, na mitana lolompo, na mieritreritra ny hamaly faty. Tsy hoe odianao tsy hita anefa ilay fahadisoana, na hamaivaninao, na ataonao hoatran’ny tsy nisy. Safidinao kosa ny hamela an’ilay olona, satria tia azy ianao sady te hihavana sy hifandray tsara aminy foana.

Takatrao koa hoe manao fahadisoana daholo isika na amin’ny teny na amin’ny atao. (Romanina 3:23) Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza hoe: “Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany.”—Kolosianina 3:13.

Tena manam-pitiavana àry ny olona tia mamela heloka. “Fatorana mampiray tonga lafatra” tokoa ny fitiavana. (Kolosianina 3:14) Milaza ny tranonkalan’ny Hopitaly Mayo fa raha mamela heloka ny olona iray dia...

  • hifandray tsara amin’ilay olona nampahatezitra azy, ka hahay hiombom-pihetseham-po aminy, na hahatakatra ny mahazo azy, na hangoraka azy

  • ho salama saina kokoa ary hifandray tsara amin’Andriamanitra

  • tsy hanahy be, tsy dia hiady saina, ary tsy ho mora mitana lolompo

  • tsy ho kivy be

AZA MANAMELO-TENA FOANA. Milaza ny gazety iray fa anisan’ny “sarotra indrindra” amin’ny olona ny mamela ny fahadisoana nataon’ny tenany. “Tena ilaina” anefa izany mba hahasalama ny vatana sy ny saina. Inona àry no hanampy anao tsy hanamelo-tena foana?

  • Aza mitady ny tonga lafatra. Ekeo kosa hoe mety hanao fahadisoana toy ny olon-drehetra ianao.—Mpitoriteny 7:20

  • Mandraisa lesona avy amin’ny fahadisoanao, amin’izay ianao tsy hamerina an’ilay izy

  • Manàna faharetana. Tsy ho afaka vetivety mantsy ny toetra ratsy na ny fahazaran-dratsy sasany. —Efesianina 4:23, 24

  • Miaraha amin’ny namana mampahery, tsara fanahy, mijery lafy tsaran-javatra, nefa koa tsy misalasala milaza izay tena ao am-pony.—Ohabolana 13:20

  • Miezaha hiala tsiny avy hatrany raha tsapanao hoe nampahatezitra olona ianao. Hilamin-tsaina ianao rehefa mihavana amin’olona.—Matio 5:23, 24

TENA MAHASOA NY TORO LALAN’NY BAIBOLY!

Lasa nahay namela heloka i Patricia, ilay voaresaka tany aloha, rehefa nianatra Baiboly. Hoy izy: “Tsy tezi-dava intsony aho izao dia milamina ny fiainako. Tsy mijaly intsony aho sady tsy mampijaly olona. Hita amin’ny toro lalan’ny Baiboly hoe tia antsika Andriamanitra ary mitady izay tena hahasoa antsika.”

Hoy ny lehilahy iray atao hoe Ron: “Tsy azoko fehezina ny zavatra eritreretin’ny hafa sy ataony, fa ny ahy azoko fehezina. Tsy maintsy niezaka tsy nitana lolompo aho raha te hihavana tamin’ny hafa. Ahoana tokoa moa no hihavanako amin’ny olona iray raha mbola mitana alahelo aminy aho? Milamina izao ny saiko.”

^ feh. 8 Loharanon-kevitra: Tranonkalan’ny Hopitaly Mayo sy ny an’ny Hopitaly Johns Hopkins ary ny gazety Ny Fomba Hisorohana ny Aretin-tsaina sy ny Fitsaboana Azy (anglisy).