Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANJAKANA IRAY NO VAHAOLANA

“Tsy Hisy Farany ... ny Fiadanana”

“Tsy Hisy Farany ... ny Fiadanana”

Hoy i Maher Nasser tao amin’ny Gazetin’ny ONU (anglisy): “Hita hatraiza hatraiza ny toetrandro miovaova, heloka bevava, olona tsy mitovy fari-piainana, ady, olona mifindra monina, fampihorohoroana, areti-mifindra, ary olana hafa.” Ampirisihin’ny Firenena Mikambana àry ny olona rehetra mba hiara-miasa, hanaja ny zon’olombelona, ary hiaro ny tontolo iainana.

Ny olona sasany aza miteny mihitsy hoe tokony ho fanjakana iray ihany no hitondra ny tany manontolo. Niteny an’izany, ohatra, ilay filozofa italianina atao hoe Dante (1265-1321) sy ilay mpahay fizika atao hoe Albert Einstein (1879-1955). Nino i Dante hoe tsy hisy mihitsy ny filaminana, raha mbola voazarazaran’ny politika izao tontolo izao. Namerina ny tenin’i Jesosy Kristy izy ka niteny hoe: “Hirodana izay fanjakana miady an-trano.”​—Lioka 11:17.

Nanoratra taratasy ho an’ny Firenena Mikambana i Albert Einstein, taoriana kelin’ny Ady Lehibe II. Nisy baomba ataomika roa nipoaka mantsy tamin’io ady io. Izao no nosoratany: “Tokony hataon’ny Firenena Mikambana izay hananganana fanjakana iray hitondra an’izao tontolo izao. Mila atao haingana izany mba hisian’ny filaminana eran-tany.”

Raha hisy tokoa izany fanjakana izany, dia hanao ahoana ny mpitondra azy io? Hahay hitondra sy tsy hanao kolikoly ary tsy hampijaly vahoaka ve? Sa mbola hanao ratsy hoatran’ny mpitondra hatramin’izay ihany? Nilaza toy izao mantsy ilay mpahay tantara anglisy atao hoe Lord Acton: ‘Mora manao zavatra tsy mety ny olona iray rehefa mahazo fahefana. Vao mainka loza aza raha fahefana feno no omena azy.’

Mbola tsy hilamina ihany anefa ny fiainana, raha tsy ny olona eran-tany mihitsy no miray saina. Tsy ho tanteraka mihitsy izany raha mbola olombelona no mitondra. Nofinofy fotsiny ve izany ilay izy? Milaza ny Baiboly hoe tena hiray saina ny olona eran-tany, rehefa ny “Fanjakan’Andriamanitra” no hitondra. (Lioka 4:43) Fitondrana naorin’Andriamanitra izy io, ary hitondra ny olombelona rehetra. Izy ihany mantsy no manana zo hitondra.

“HO TONGA ANIE NY FANJAKANAO!”

Ny Fanjakan’Andriamanitra no tian’i Jesosy Kristy holazaina rehefa nangataka izy hoe: “Ho tonga anie ny Fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao.” (Matio 6:9, 10) Hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra etỳ an-tany io Fanjakana io, ka tsy hisy olona tia tena sy miady fahefana intsony.

Antsoina koa hoe “Fanjakan’ny lanitra” ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 5:3) Avy any an-danitra mantsy izy io no hitondra ny tany. Tsy mila vola mihitsy àry io Fanjakana io, ka tsy hitaky hetra na zavatra hafa amin’ny vahoakany. Ho maivamaivana erỳ ny olona amin’izay!

I Jesosy Kristy no mpanjakan’ilay Fanjakana, ary Andriamanitra no nanendry azy. Hoy ny Baiboly momba an’i Jesosy:

  • “Ho eo am-pelatanany ny fahefana ... Hitombo foana ny fahefany, ka tsy hifarana mihitsy izany. Tsy hisy farany koa ny fiadanana.”​—Isaia 9:6, 7.

  • “Nomena fitondrana sy voninahitra ary fanjakana izy, ka tokony hanompo azy daholo ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny. Ny fitondrany dia ... tsy handalo fotsiny.”​—Daniela 7:14.

  • “Ny fanjakan’izao tontolo izao dia efa lasa Fanjakan’ny Tompontsika [Andriamanitra] sy ilay Kristy voatendriny.”​—Apokalypsy 11:15.

Hotanterahin’ny Fanjakan’Andriamanitra daholo ny sitrapon’Andriamanitra. Izany ilay nangatahin’i Jesosy tao amin’ilay vavaka nampianariny. Hahay hikarakara ny tany ny olona rehetra amin’izany fotoana izany, ka tsy ho simba intsony ny tontolo iainana.

Hampianatra ny vahoakany koa ny Fanjakan’Andriamanitra. Fitsipika mitovy no harahina, ka tsy hisy intsony ny ady ary hiray saina ny rehetra. Hoy ny Isaia 11:9: “Tsy hanisy ratsy an’iza na iza izy ireo, sady tsy hanimba na inona na inona ... satria ho feno fahalalana an’i Jehovah ny tany, hoatran’ny rano manarona ny fanambanin’ny ranomasina.”

Tena hiray saina ny mponina eto an-tany amin’izay. Izany mihitsy no irin’ny Firenena Mikambana. Milaza ny Salamo 37:11 hoe “ho faly be mihitsy” ny olona “satria tena hiadana.” Tsy hampiasaina intsony ny teny toy ny hoe “heloka bevava”, “fandotoana ny tontolo iainana”, “fahantrana”, ary “ady.” Rahoviana anefa izany no hitranga? Rahoviana no ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra? Inona no hitranga rehefa hanomboka hitondra ny tany izy io? Inona no tokony hataonao mba ho lasa vahoakan’io fanjakana io ianao? Hamaly an’ireo ny lahatsoratra manaraka.