Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MANOVA OLONA NY BAIBOLY

“Izao vao Tena Sambatra Aho!”

“Izao vao Tena Sambatra Aho!”
  • TERAKA: 1981

  • FIRENENA: ETAZONIA

  • FIAINANY TALOHA: NADITRA BE

NY FIAINAKO TALOHA:

Teraka tany Moundsville aho. Tanàna kely milamindamina manamorona ny reniranon’i Ohio, any amin’ny faritra avaratr’i Virginie Andrefana, any Etazonia izy io. Telo lahy iray vavy izahay, ary izaho no faharoa. Naresaka be foana tao an-trano. Nazoto niasa i Dada sy Neny, nanao ny marina, ary tia olona. Tsy mpanankarena izahay nefa nanana izay nilainay foana. Vavolombelon’i Jehovah i Dada sy Neny, ka mbola kely izahay dia efa nampianariny ny toro lalan’ny Baiboly.

Rehefa nihalehibe anefa aho, dia lasa tsy niraharaha an’izay nampianarina ahy. Lasa nisalasala aho raha tena ilaina sy mahasambatra tokoa ny manaraka izay lazain’ny Baiboly. Nihevitra aho hoe rehefa manao izay tiako ihany aho vao tena ho sambatra. Tsy nivory tany amin’ny Vavolombelon’i Jehovah intsony àry aho, tsy ela taorian’izay. Nanao hoatr’ahy koa ny zokiko lahy sy ny zandriko vavy. Niezaka be i Dada sy Neny mba hanampiana anay, fa tsy noraharahainay mihitsy.

Tena te hanao izay tiako aho tamin’izany. Tsy nampoiziko mihitsy anefa hoe ho lasa handevozin’izao karazan-javatra ratsy rehetra izao aho. Nisy ankizy nanome sigara, ohatra, aho indray mandeha, rehefa nody avy nianatra. Dia nofohiko tokoa ilay izy. Nanomboka tamin’izay dia lasa nanaiky foana aho rehefa nisy nitaona hanao ratsy. Lasa zatra nifoka rongony aho rehefa nandeha ny fotoana, niboboka toaka, ary ratsy fitondran-tena. Nidoroka zava-mahadomelina mahery kokoa aho tatỳ aoriana, ary lasa zatra nifoka ny sasany tamin’ireny. Tsy tafala tamin’ny zava-mahadomelina sy ny fanaoko intsony aho, ka nanjary nivarotra rongony mihitsy mba hahazoako vola.

Niezaka tsy niraharaha ny feon’ny fieritreretako aho, nefa arakaraka ny nanaovako izany dia vao mainka nenjehin’ny eritreritro. Nihevitra anefa aho hoe tsy afaka miverin-dalana intsony. Nahatsiaro ho irery sy kivy foana aho, na dia be dia be aza ny olona niaraka tamiko nijery rindran-kira sy namonjy fety. Nisy fotoana aho nahatsiaro an’i Dada sy Neny. Mahafinaritra be ry zareo sady manao ny marina nefa izaho lasa nivarilavo.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO:

Nihevitra aho hoe tsy misy azo antenaina intsony ny amiko. Tsy mba nieritreritra an’izany anefa ny olona sasany. Nanasa ahy hanatrika fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah, ohatra, i Dada sy Neny tamin’ny 2000, ka nanaiky tsy sazoka aho. Gaga aho fa mba nandeha koa ilay zokiko sy zandriko naditra hoatr’ahy.

Tadidiko fa efa nanatrika rindran-kira rock tao amin’ilay toerana aho, herintaona talohan’io. Tsy nitovy mihitsy anefa ny zava-nitranga tamin’izany sy tamin’io, ka tena nanohina ny foko izany. Feno fako sy setro-tsigara tao nandritra ilay rindran-kira. Ratsy toetra koa ny ankamaroan’ny olona nijery an’ilay izy, ary nahakivy daholo ny tononkira. Falifaly daholo kosa ny olona tao amin’ilay fivoriambe ary nandray tsara ahy ry zareo na dia efa aman-taonany aza izahay tsy nihaona. Nadio tsara ilay toerana ary nanome fanantenana ny hevitra nohazavaina tao. Hitako mihitsy hoe tena mahasoa ny mahafantatra ny marina ao amin’ny Baiboly. Nieritreritra aho hoe: ‘Fa maninona koa àry aho no niala tamin’ny zavatra nampianarina ahy?’—Isaia 48:17, 18.

“Tsy nifoka sy tsy nivarotra rongony intsony aho rehefa nianatra Baiboly, ary nihatsara ny toetrako”

Rehefa vita ilay fivoriambe, dia tapa-kevitra aho fa hiverina hivory any amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanao toy izany koa ilay zokiko sy zandriko, satria tena tian’izy ireo ny zavatra hitany tany. Samy niverina nianatra Baiboly izahay.

Tena nandrisika ahy hiova ny Jakoba 4:8 hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” Fantatro àry hoe mila miala amin’ny zava-dratsy fanaoko aho raha te hanatona an’Andriamanitra. Tsy maintsy niala tamin’ny sigara sy rongony ary toaka, ohatra, aho.—2 Korintianina 7:1.

Tsy niaraka tamin’ny namako taloha intsony aho, fa ninamana tamin’ny mpanompon’i Jehovah. Tena nanampy ahy ilay anti-panahy nampianatra Baiboly ahy. Nitelefaonina ahy foana izy ary nivily kely tao aminay rehefa sendra nandalo mba hanontany raha salama tsara aho. Lasa namako be izy hatramin’izao.

Nanokan-tena ho an’i Jehovah aho ka natao batisa, tamin’ny lohataonan’ny 2001. Natao batisa tamin’io koa ilay zokiko sy zandriko. Faly be mihitsy i Dada sy Neny ary ilay zandriko lahy iray hendry, satria tafaray izahay izao ka miara-manompo an’i Jehovah.

NY SOA NORAISIKO:

Nieritreritra aho taloha hoe maneritery ny toro lalan’ny Baiboly. Hitako anefa izao fa tena miaro sady ilaina izy ireny. Tsy nifoka sy tsy nivarotra rongony intsony aho rehefa nianatra Baiboly, ary nihatsara ny toetrako.

Faly aho satria anisan’ny mpanompon’i Jehovah eran-tany izay mifampitondra toy ny mpirahalahy. Tena mifankatia izy ireo sady miara-manompo an’i Jehovah. (Jaona 13:34, 35) Faly be koa aho fa nanambady an’i Adrianne. Anisan’ireo mpanompon’i Jehovah ireo izy ary tena tiako. Faly erỳ izahay miara-manompo an’ilay Mpamorona.

Tsy tia tena intsony aho izao ka hoe izay tiako fotsiny no ataoko. Mitory manontolo andro kosa aho ary mampianatra ny olona ny toro lalan’ny Baiboly. Io asa io no mahasambatra ahy indrindra. Tsy misalasala mihitsy aho izao milaza hoe tena nanova ny fiainako ny Baiboly. Izao vao tena sambatra aho!