Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA: NAHOANA IANAO NO TOKONY HIVAVAKA?

Nahoana ny Olona no Mivavaka?

Nahoana ny Olona no Mivavaka?

Tia mivavaka ve ianao? Maro no toy izany, na amin’ireo tsy mino an’Andriamanitra aza. Nahoana anefa ny olona no mivavaka? Hita tamin’ny fanadihadiana natao tany Frantsa fa ny antsasaky ny mponina any no mivavaka satria te “ho maivamaivana fotsiny.” Tsy hoe mivavaka izy mba hifandraisana amin’Andriamanitra, fa mba te ho “tonitony” fotsiny. Izany koa no ataon’ny Eoropeanina maro. Ny mpivavaka sasany indray rehefa mila fanampiana vao miantso an’Andriamanitra, ary manantena hahazo valiny eo no ho eo.Isaia 26:16.

Ary ianao? Rehefa te hahalala izay tokony hatao fotsiny ve ianao no mivavaka? Raha mino an’Andriamanitra ianao, hitanao ve hoe tena manampy ny vavaka, sa hoatran’ny tsy mahazo valim-bavaka mihitsy ianao? Afaka manampy anao ny Baiboly mba hihevitra hoe fomba tsara ifandraisana amin’Andriamanitra ny vavaka, fa tsy fomba ahitana fanamaivanana fotsiny.