Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MANOVA OLONA NY BAIBOLY

Nampiasa Baiboly Foana ry Zareo!

Nampiasa Baiboly Foana ry Zareo!
  • TERAKA: 1950

  • FIRENENA: ESPAINA

  • FIAINANY TALOHA: MASERA KATOLIKA

NY FIAINAKO TALOHA:

Nanana toeram-pambolena kely tany Galice, any amin’ny faritra avaratrandrefan’i Espaina i Dada sy Neny, tamin’izaho teraka. Nahafinaritra be ny fiainanay tao an-trano. Valo mianadahy izahay ary izaho no fahefatra. Tia nandefa ny zanany tany amin’ny sekoly fiofanana ho pretra na tranon-drelijiozy ny olona tany Espaina tamin’izany. Ankizy iray, fara fahakeliny, no nankany, fa ny tao aminay telo.

Niofana ho masera tany Madrid hoatran’ny zokiko vavy aho, rehefa feno 13 taona. Tsy tiako ny fiainana tany. Tsy nisy mpinamana izany tany, hentitra ny fitsipika, vavaka foana no atao, ary nampihafy tena be izahay. Vao maraina izahay dia nandeha nisaintsaina tany am-piangonana. Foana tanteraka anefa ny saiko. Nihira sy nanao Lamesa tamin’ny teny latinina izahay avy eo. Tsy nisy azoko ilay izy, ka hoatran’ny hoe lavitra be izany Andriamanitra tamiko. Nangina be foana aho isan’andro. Na nihaona aza izahay mirahavavy, dia tsy nahazo niteny afa-tsy ny hoe: “Derao i Maria virjiny.” Antsasak’adiny ihany izahay no nahazo niresaka rehefa avy nisakafo. Tsy hoatr’izany mihitsy anefa ny fiainanay tany an-trano. Nahatsiaro ho nanirery aho, ka matetika no nitomany.

Tsy nahatsiaro ho akaiky an’Andriamanitra mihitsy aho, nefa nanao voady ihany ka lasa masera tamin’izaho 17 taona. Nanao izay nasaina nataoko fotsiny aho, nefa tsy ela dia hitako hoe tsy natao ho ahy mihitsy ilay izy. Niteny foana ry masera hoe ho any amin’ny afobe, hono, aho raha miroaroa saina hoatr’izany. Tsy nampihontsina ahy izany. Fantatro hoe tsy mba nitoka-monina izany i Jesosy Kristy, fa nampianatra sy nanampy olona foana. (Matio 4:23-25) Tsy te ho masera intsony aho tamin’izaho 20 taona. Nahagaga fa niteny tamiko ny lehiben’ny masera hoe tokony hiala haingana aho raha misalasala. Angamba izy natahotra sao hanahaka ahy ny hafa. Dia lasa tokoa aho.

Notantaraiko tamin’i Dada sy Neny ny nahazo ahy rehefa tafody aho, ary takatr’izy ireo tsara ilay izy. Tsy nisy asa anefa tao an-tanàna, ka nifindra tany amin’ilay zandriko lahy tany Alemaina aho. Anisan’ny antoko koministan’ireo  Espaniola mpila ravinahitra izy. Niady ho an’ny zon’ny mpiasa sy ny zon’ny vehivavy ry zareo, ka tiako erỳ ny niaraka taminy. Mba lasa Kominista koa aho, ary nanambady olona tao amin’io antoko io. Nieritreritra aho hoe mba nisy dikany ny zavatra nataoko, rehefa nizara bokin’ny Kominista sy nilahatra teny an-dalam-be izahay.

Lasa kivy indray anefa aho tatỳ aoriana. Matetika mantsy ny Kominista no tsy manatanteraka ny zavatra dradradradrainy. Vao mainka aho niroaroa saina tamin’ny 1971, rehefa nodoran’ny tanora tao amin’io antoko io ny Masoivohon’i Espaina tao Francfort. Tezitra mantsy ry zareo fa tsy rariny, hono, ny zavatra nataon’ny fitondrana tsy refesi-mandidy tany Espaina. Hitako anefa hoe tsy nety ny nataony.

Nilazako ny vadiko, rehefa teraka ny zanakay lahimatoa, fa tsy hanatrika ny fivorian’ny Kominista intsony aho. Lasa nanirery be aho, satria tsy mba nisy namangy anay mianaka ny namako taloha. Lasa saina aho hoe mba inona àry no antony ahavelomantsika. Mba hisy vokany ihany ve ny ezaka atao hanatsarana ny fiainana?

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO:

Nisy Vavolombelona espaniola roa tonga tao aminay, tamin’ny 1976, ary nanome boky ara-baiboly. Nototofako fanontaniana ry zareo rehefa niverina indray. Anisan’izany ny resaka fijaliana sy tsy fitoviana ara-tsosialy ary ny tsy rariny. Gaga be aho fa nampiasa Baiboly foana ry zareo, mba hamaliana ny fanontaniako! Tonga dia nanaiky hianatra Baiboly aho.

Fitia te hahalala zavatra fotsiny no antony nianarako, tamin’ny voalohany. Niova anefa izany rehefa nivory tany amin’ny trano fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay mivady. Efa roa ny zanakay tamin’izay. Tsara fanahy taminay ny Vavolombelona ka naka anay tany an-trano, ary nanampy anay hitaiza ny zanakay nandritra ny fivoriana. Lasa tiako be ry zareo.

Mbola nisy nampisalasala ahy ihany anefa teo amin’ny resaka fivavahana, ka nandeha nitsidika ny fianakaviako tany Espaina aho. Mompera ny dadatoanay, ary nataony izay tsy hianarako Baiboly intsony. Tena nanampy ahy anefa ireo Vavolombelona tany. Novaliany tao amin’ny Baiboly ny fanontaniako, hoatran’ny nataon’ireo Vavolombelona tany Alemaina ihany. Nianatra Baiboly indray aho rehefa tafaverina tany Alemaina. Tsy niova hevitra aho na dia tsy nety nianatra intsony aza ny vadiko. Lasa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa aho, tamin’ny 1978.

NY SOA NORAISIKO:

Lasa fantatro ny antony ahaveloman’ny olona, rehefa nahalala ny marina ao amin’ny Baiboly aho. Mahazo tari-dalana tsara koa aho. Milaza, ohatra, ny 1 Petera 3:1-4 fa tokony ‘hanaiky’ ny vadiny sy ‘hanaja lalina’ azy ny vehivavy, ary ‘halemy paika’ satria “tena sarobidy eo imason’Andriamanitra” izany. Nanampy ahy ho lasa vady tsara sy reny mahay mitaiza ireny toro lalana ireny.

Efa 35 taona teo ho eo aho izao no Vavolombelon’i Jehovah. Sambatra aho manompo an’Andriamanitra miaraka amin’ireo anadahiko sy rahavaviko eran-tany. Faly koa aho fa manao hoatr’izany ny efatra amin’ireo zanako dimy.