Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA

Nahoana Ianao no Tokony Hivavaka?

Nahoana Ianao no Tokony Hivavaka?

Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Maninona aho no mbola mila mivavaka nefa Andriamanitra efa mahalala ny ato an-tsaiko sy izay ilaiko ary ny zava-drehetra?’ Mitombina ny hevitrao. Na i Jesosy aza nilaza hoe: “Fantatr’Andriamanitra Rainareo izay ilainareo, raha mbola tsy mangataka aminy akory aza ianareo.” (Matio 6:8) Hoy koa i Davida, mpanjakan’ny Israely: “Mbola tsy manonona teny akory ny lelako, dia efa fantatrao sahady ny tiako holazaina, Jehovah ô!” (Salamo 139:4) Nahoana àry isika no tokony hivavaka? Hojerentsika ao amin’ny Baiboly izany. *

“Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”—Jakoba 4:8

 FOMBA IFANDRAISANA AMIN’ANDRIAMANITRA

Marina fa milaza ny Baiboly hoe mahalala ny zava-drehetra i Jehovah * Andriamanitra. Tsy hoe faly manangona fanazavana momba ny mpanompony fotsiny anefa izy. (Salamo 139:6; Romanina 11:33) Tsy misy fetra ny fitadidiany, nefa tsy hoatran’ny ordinatera izy ka hoe manangona fanazavana momba ny olona fotsiny fa tsy miraharaha azy akory. Te hahafantatra izay tena ao an-tsaintsika izy, satria tiany hifandray akaiky aminy isika. (Salamo 139:23, 24; Jakoba 4:8) Izany no nahatonga an’i Jesosy nampirisika ny mpanara-dia azy hivavaka, na efa fantatry ny Rainy tsara aza izay tena ilain’izy ireo. (Matio 6:6-8) Hifandray kokoa amin’ny Mpamorona isika arakaraka ny amborahantsika ny ao am-pontsika aminy.

Tsy haintsika anefa indraindray izay tena tiantsika hangatahina. Mbola afaka manome antsika izay ilaintsika i Jehovah amin’izay, satria mahay mamantatra izay ao am-pontsika izy sady mahalala tsara ny olana mahazo antsika. (Romanina 8:26, 27; Efesianina 3:20) Lasa te hifandray aminy isika rehefa mahatsapa hoe nanampy antsika izy, na dia tsy niharihary aza izany.

VALIAN’ANDRIAMANITRA VE NY VAVAKA REHETRA?

Manome toky antsika ny Baiboly fa mamaly ny vavaky ny mpanompony tsy mivadika ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Hazavaina ao koa anefa hoe nahoana no tsy henoiny ny vavaka sasany. Nasainy nilaza toy izao, ohatra, i Isaia mpaminany, rehefa feno herisetra tany Israely: “Na manao vavaka maro aza ianareo, dia tsy hihaino aho, fa feno ran’olona ny tananareo.” (Isaia 1:15) Tsy henoin’Andriamanitra àry ny vavaka tsy mifanaraka amin’ny sitrapony, na ny vavaky ny olona tsy tia ny lalàny.—Ohabolana 28:9; Jakoba 4:3.

Hoy ny 1 Jaona 5:14: “Na inona na inona angatahintsika ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.” Midika ve izany fa tanterahin’Andriamanitra daholo izay angatahin’ny mpanompony? Tsy voatery. Nangataka tamin’Andriamanitra intelo, ohatra, ny apostoly Paoly mba hanala ny ‘tsilo tao amin’ny nofony.’ (2 Korintianina 12:7, 8) Narary maso angamba izy, ka tsy maintsy ho nahasorena azy izany. Efa nomena fahaizana hanasitrana i Paoly ary afaka nanangana ny maty mihitsy aza. Rehefa izy kosa no narary dia tsy maintsy niaritra. (Asan’ny Apostoly 19:11, 12; 20:9, 10) Nankasitraka ny fanampian’Andriamanitra anefa i Paoly, na dia tsy araka ny nitiavany azy aza ilay valim-bavaka.—2 Korintianina 12:9, 10.

“Izao no toky ananantsika ny amin’Andriamanitra: Na inona na inona angatahintsika ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.”—1 Jaona 5:14

Marina fa nisy vavaka novalian’Andriamanitra tamin’ny fomba mahagaga. (2 Mpanjaka 20:1-7) Tsy mpitranga matetika anefa izany, na taloha aza. Sahiran-tsaina ny mpanompon’Andriamanitra sasany fahiny, satria hoatran’ny hoe tsy nahazo valim-bavaka. Hoy i Davida Mpanjaka: “Jehovah ô, mandra-pahoviana no hanadinoanao ahy? Ho mandrakizay ve?” (Salamo 13:1) Rehefa tsapan’io lehilahy nanam-pinoana io anefa hoe efa nanampy azy imbetsaka i Jehovah, dia vao mainka izy nitoky taminy. Hoy ihany izy: ‘Matoky ny hatsaram-panahinao feno fitiavana aho.’ (Salamo 13:5) Mety hila hivavaka foana hoatran’i Davida koa isika, mandra-pahitantsika hoe voavaly izay nangatahintsika.—Romanina 12:12.

 AHOANA NO AMALIAN’ANDRIAMANITRA NY VAVAKA?

Manome izay tena ilaintsika Andriamanitra.

Tsy hoe omen’ny ray aman-dreny foana izay angatahin’ny ankizy isaky ny mangataka izy ireo. Mitady izay hahasoa an-janany mantsy izy ireo. Mety tsy hanome izay angatahintsika araka ny fomba sy ny fotoana itiavantsika azy koa Andriamanitra. Toy ny ray be fitiavana izy ka afaka matoky isika hoe homeny antsika izay tena ilaintsika, amin’ny fotoana sy ny fomba hitany fa mety.—Lioka 11:11-13.

Mety hamaly antsika amin’ny alalan’ny Baiboly Andriamanitra

Mety tsy hiharihary be ilay valim-bavaka.

Ahoana raha mivavaka isika mba hialan’ny olana iray saro-bahana? Raha tsy namaha an’ilay izy tamin’ny fomba mahagaga Andriamanitra, midika ve izany fa tsy namaly vavaka izy? Mila mandinika angamba isika sao efa nanampy antsika izy, saingy tsy niharihary fotsiny. Mety ho nisy namana tsara fanahy, ohatra, niezaka nanampy antsika tamin’ny fotoana nilantsika azy. (Ohabolana 17:17) Sao dia i Jehovah no nahatonga an’ilay olona hanampy antsika? Mety hamaly antsika amin’ny alalan’ny Baiboly koa Andriamanitra, ka lasa haintsika ny mamaha an’ilay olana.—2 Timoty 3:16, 17.

Mety hisy namana be fitiavana hirahin’Andriamanitra hanampy antsika, amin’ny fotoana ilantsika azy

Matetika izy no tsy mamaha ny olana mahazo antsika, fa manome hery hiatrehantsika an’izany. (2 Korintianina 4:7) Tamin’i Jesosy hiatrika fitsapana, ohatra, dia niangaviany ny Rainy mba hanala an’izany. Natahotra mantsy izy sao ho afa-baraka ny anaran’ny rainy. Tsy nanao an’izany anefa Andriamanitra, fa anjely no nirahiny hampahery azy. (Lioka 22:42, 43) Mety hampiasa ny namantsika koa Andriamanitra mba hampahery antsika, amin’ny fotoana tena ilantsika izany. (Ohabolana 12:25) Mety hila handinika tsara isika amin’izay, sao mba valim-bavaka avy amin’Andriamanitra izany na dia tsy miharihary aza.

Amin’ny fotoana mety amin’Andriamanitra ny vavaka sasany vao valiany.

Milaza ny Baiboly fa hikarakara an’izay manetry tena ilay Andriamanitra Mahery Indrindra “amin’ny fotoana voatondrony.” (1 Petera 5:6) Tsy tokony hihevitra àry isika hoe tsy miraharaha antsika Andriamanitra raha hoatran’ny elaela izy vao mamaly vavaka. Mahay lavitra noho isika izy, ka fantany izay tena mety amintsika.

“Manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoana voatondrony.”—1 Petera 5:6

Eritrereto hoe mangataka bisikileta aminao ny zanakao lahikely. Tonga dia ividiananao ve izy? Mety hiandry kely ianao raha hitanao hoe mbola kely loatra izy ka mety hampidi-doza azy izany. Ividiananao anefa izy rehefa hitanao hoe mahasoa azy amin’izay ilay izy. Hoatr’izany koa Andriamanitra. Mety hanome ‘izay irin’ny fontsika’ izy amin’ny fotoana hitany fa mety, raha tsy mitsahatra mangataka aminy isika.—Salamo 37:4.

MATOKIA FA MIHAINO ANDRIAMANITRA

Milaza ny Baiboly fa tena manampy ny vavaka ary tokony hatoky an’izany ny tena Kristianina. Mety tsy ho mora anefa izany rehefa manana olana saro-bahana isika, na iharan’ny tsy rariny. Mety ho may hahazo valim-bavaka mantsy isika amin’izay. Tadidio anefa fa nampirisihin’i Jesosy isika mba haharitra hivavaka.

Nilaza izy tao amin’ny fanoharana iray fa nisy vehivavy mahantra sy efa maty vady, nivezivezy nitady rariny tany amin’ny mpitsara. Tsy nanao ny marina anefa io mpitsara io. (Lioka 18:1-3) Tsy niraharaha azy aloha ilay mpitsara, nefa hoy izy tamin’ ny farany: “Homeko rariny ihany io vehivavy io fa manelingelina ahy tsy misy farany. Amin’izay dia tsy ho tonga lava eto hanorisory ahy izy ka tsy ho zakako intsony.” (Lioka 18:4, 5) Nihaino an’ilay vehivavy ihany ilay mpitsara satria tsy tiany ho “simba ny lazany.” * Izany no hevitr’io andininy io araka ny fiteny nanoratana azy tany am-boalohany. Koa raha mpitsara tsy manao ny marina hoatr’izany aza nanampy olona mananotena satria te hiaro ny lazany, mainka fa ilay Andriamanitra be fitiavana! Azo antoka fa hanao ny rariny amin’izay “mitaraina aminy andro aman’alina” izy. “Hataony haingana”, hoy i Jesosy, “izay hampiharana ny rariny amin’izy ireo.”—Lioka 18:6-8.

“Mangataha foana dia homena ianareo.”—Lioka 11:9

Mety ho sasatry ny mangataka isika indraindray nefa tsy tokony hilavo lefona. Hita hoe tena mila ny fanampian’Andriamanitra isika rehefa maharitra mivavaka. Lasa fantatsika koa ny fomba amaliany ny vavaka ataontsika, ka manjary mifandray kokoa aminy isika. Afaka matoky isika fa hamaly ny vavaka ataontsika i Jehovah, rehefa mangataka foana isika sady matoky hoe hihaino izy.—Lioka 11:9.

^ feh. 3 Miezaha hanao izay takin’Andriamanitra, raha tianao hohenoiny ny vavaka ataonao. Ho hitanao ato fa tena manampy ny vavaka. Jereo koa ny toko 17 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, na midira ao amin’ny www.dan124.com/mg.

^ feh. 5 Jehovah no anaran’Andriamanitra araka ny Baiboly.

^ feh. 22 Nasain’Andriamanitra nikarakara tsara ny olona maty vady sy ny kamboty ny mpitsara tany Israely fahiny.—Deoteronomia 1:16, 17; 24:17; Salamo 68:5.