Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Mampiaraka​—Fizarana 1: Efa Afaka Mampiaraka ve Aho?

Mampiaraka​—Fizarana 1: Efa Afaka Mampiaraka ve Aho?

Inona no atao hoe mampiaraka?

  Fialam-boly fotsiny izany mampiaraka izany amin’ny olona sasany. Ny hoe “mampiaraka” anefa, ato amin’ity lahatsoratra ity, dia hoe miaraka amin’ny olona iray mandritra ny fotoana lavalava ianao mba hahitana hoe mifanentana ve ianareo raha hivady. Manana tanjona izany ny olona mampiaraka, fa tsy hoe falifaly fotsiny satria hoe misy ankizilahy na ankizivavy tia sy maneho fiheverana azy.

 Rehefa mandeha ny fotoana, dia tsy maintsy handray fanapahan-kevitra ny olona mampiaraka hoe na hivady na hisaraka. Rehefa manomboka mampiaraka àry ianao dia mila manampo hoe tsy maintsy ny iray amin’ireo no hitranga.

 Tadidio àry izao: Raha mieritreritra ianao hoe efa afaka mampiaraka, dia midika izany hoe efa vonona hanambady koa ianao.

Mitovy amin’ny olona mitady asa nefa tsy mieritreritra hiasa ny olona mampiaraka nefa tsy mieritreritra hanambady

Efa afaka mampiaraka ve ianao?

  Mety hivady ny olon-droa mampiaraka. Mila mieritreritra àry ianao hoe inona avy ny toetranao mety hahasoa na hanimba ny fifandraisanareo rehefa hivady ianareo. Diniho, ohatra, ireto:

  •   Fifandraisana amin’ny fianakaviana. Hita amin’ny fomba itondranao ny ray aman-dreninao sy ny iray tam-po aminao, indrindra rehefa sorena ianao, hoe hoatran’ny ahoana ny fomba hitondranao ny vadinao any aoriana any.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Esory aminareo daholo rehefa mety ho lolompo, fahatezerana, fisafoahana, filelalelana, ary fanevatevana, sy ny toetra hafa rehetra mampalahelo ny hafa.”​—Efesianina 4:31.

     Saintsaino izao: ‘Hilaza ve ny ray aman-dreniko sy ny iray tam-po amiko hoe manaja an-dry zareo aho? Rehefa tsy mifanaraka amin’ny iray amin-dry zareo aho, dia mahavita mifampiresaka moramora ve aho sa tezitra dia miady aminy?’

    Raha tsy mahay mandamina tsy fifanarahana amin’ny ray aman-dreninao ianao, mety hahavita an’izany ve ianao amin’ny vadinao?

  •   Mahafoy tena. Rehefa manambady ianao, dia mila mihevitra ny zavatra tian’ny vadinao ary matetika no mila mampandefitra ny zavatra tianao.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Aoka ny tsirairay hitady foana an’izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany.”​—1 Korintianina 10:24.

     Saintsaino izao: ‘Tsy manaiky ve aho raha tsy izay tiako foana no atao? Olona mahay mandanjalanja ve no fahitan’ny hafa ahy? Ahoana no efa nampisehoako hoe mihevitra an’izay hahasoa ny hafa aho alohan’izay hahasoa ahy?’

  •   Manetry tena. Miaiky ny fahadisoana vitany ny vady tsara ary miala tsiny amin’ny fony.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Manao fahadisoana imbetsaka isika rehetra.”​—Jakoba 3:2.

     Saintsaino izao: ‘Tonga dia miala tsiny ve aho rehefa manao fahadisoana sa manamarin-tena? Tezitra be ve aho rehefa misy manoro hevitra hoe inona no azoko hatsaraina?’

  •   Resaka vola. Ny resaka vola matetika no tena mampiady ny mpivady. Hahavita hisoroka an’izany anefa ny olona mahay mitantam-bola.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Iza aminareo ... raha te hanorina tilikambo, no tsy mipetraka aloha manao kajy hoe ohatrinona no ho lany, mba hahitana raha manana ny ampy hamitana an’ilay izy na tsia?”​—Lioka 14:28.

     Saintsaino izao: ‘Mahavita mitsitsy vola ve aho sa matetika mitrosa? Ahoana no efa nampisehoako hoe mahay mitantam-bola aho?’

  •   Ny ara-panahy. Raha Vavolombelon’i Jehovah ianao, dia tokony ho efa manana fahazarana mamaky Baiboly sy mianatra samirery ary manatrika fivoriana kristianina.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Sambatra izay mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.”​—Matio 5:3.

     Saintsaino izao: ‘Miezaka ve aho mba hanana finoana matanjaka foana? Ny fahazarako ara-panahy ve no ataoko zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainako, sa misy zavatra hafa avelako hanelingelina an’ilay izy?’

 Tadidio àry izao: Mendrika hahazo vady tsara ilay olona hovadinao. Raha miezaka mafy ho lasa vady tsara ianao, dia mety hahasarika olona miezaka manao an’izany koa.