Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Hahavita Hianatra Tsara Ihany ve Aho na dia Tsy any Am-pianarana Aza?

Hahavita Hianatra Tsara Ihany ve Aho na dia Tsy any Am-pianarana Aza?

 Be dia be amin’izao ny ankizy tsy afaka mianatra any am-pianarana, dia lasa mianatra any an-trano. Raha hoatr’izany koa ianao, dia inona no azonao atao mba ho vitanao tsara ilay izy? Ireto misy soso-kevitra afaka manampy anao. a

 Soso-kevitra dimy afaka manampy anao

  •   Manaova fandaharam-potoana. Ataovy hoatran’ny hoe any am-pianarana ihany ianao, dia miezaha hanana fandaharam-potoana matotra tsara. Soraty ao amin’ilay izy hoe isaky ny inona ianao no hianatra, dia isaky inona no hanao raharaha na hanao zava-dehibe hafa. Azonao ovaovana ilay fandaharam-potoana, raha ohatra ka ilaina izany.

     Toro lalan’ny Baiboly: ‘Aoka ny zava-drehetra hatao amim-pilaminana.’—1 Korintianina 14:40.

     “Ataovy hoatran’ny hoe any am-pianarana ihany ianao isan’andro, dia misy fandaharam-potoana arahina. Ohatra hoe amin’izao ka hatramin’izao tsy maintsy mahavita an’izao.”—Katie.

     Eritrereto izao: Nahoana no tsara raha soratana mihitsy ny fandaharam-potoananao, dia atao amin’ny toerana mora hita?

  •   Miezaha hifehy tena. Raha te ho lasa olon-dehibe matotra ianao, dia tsy maintsy mamita ny asanao, na dia tsy mazoto hanao an’ilay izy aza! Aza mangataka andro mihitsy!

     Toro lalan’ny Baiboly: “Aza malaina amin’izay ataonareo.”—Romanina 12:11.

     “Tena sarotra ilay hoe mifehy tena. Mora erỳ mantsy ny miteny hoe: ‘Rehefa avy eo aho mianatra e!’ Tsy mianatra akory anefa ianao avy eo, dia lasa mitambatra be amin’izay ny zavatra tokony hataonao.”—Alexandra.

     Eritrereto izao: Nahoana no mety hanampy anao hahay hifehy tena kokoa ny mianatra amin’ny toerana iray sy amin’ny ora mitovy foana isan’andro?

  •   Mitadiava toerana azo ianarana. Ataovy eo akaikinao daholo izay zavatra ilainao. Ataovy mampahazo aina tsara koa ilay toerana ianaranao, nefa aza dia atao mampiadana be loatra sao ianao ho resin-tory. Hianatra mantsy no hataonao ao fa tsy hatory. Raha tsy mahita toerana mety tsara hianarana ianao, dia azonao atao ny mianatra ao an-dakozia na ao amin’ny efitranonao.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto.”—Ohabolana 21:5.

     “Ampirimo daholo ny baolina, ny lalao video, ary ny gitara, dia aza asiana feo ny telefaonina. Tsy tokony hisy zavatra hanelingelina anao mihitsy rehefa mianatra ianao.”—Elizabeth.

     Eritrereto izao: Inona avy no azonao ovana ao amin’ilay toerana ianaranao, amin’izay ianao mifantoka tsara?

  •   Mianara mifantoka. Mifantoha amin’izay taranja efa ataonao fa aza manao zavatra be dia be indray miaraka. Mora manao diso kely mantsy ianao raha manao zavatra maromaro indray miaraka, sady ela be vao ho vita ny zavatra tokony hataonao.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Hararaoty tsara ny fotoana.”—Efesianina 5:16.

     “Tsy mahavita mifantoka mihitsy aho raha vao eo akaikiko eo ny telefaoniko. Tsy tena mahavita zavatra aho fa lanilany fotsiny ny fotoanako.”—Olivia.

     Eritrereto izao: Sao dia mba azonao ampitomboina tsikelikely ny fotoana ahafahanao mifantoka amin’ny zavatra anankiray?

  •   Makà aina kely. Mandehana mandehandeha kely, na mitaingina bisikileta, na manao fanatanjahan-tena. Mety havitribitrika ianao raha miala voly kely. Hoy ny boky iray hoe: “Vitao anefa aloha ny asanao. Vao mainka hahafinaritra anao ny maka aina raha efa vitanao tsara daholo izay zavatra tokony hataonao.”

     Toro lalan’ny Baiboly: “Aleo fialan-tsasatra eran-tanan’ila, toy izay asa mafy eran-tanan-droa nefa toy ny misambo-drivotra fotsiny.”—Mpitoriteny 4:6.

     “Matetika ianao no afaka mianatra mozika na manao sary, any am-pianarana. Tena malahelo an’ireny mihitsy aho izao. Tsy hitanao mantsy hoe tena ilaina ilay izy raha tsy efa tsy afaka manao an’ilay izy intsony ianao. Ankoatra ny fianarana àry, dia tsara raha mba mamorona zavatra kely hatao fialam-boly ianao.”—Taylor.

     Eritrereto izao: Raha maka aina ianao, dia inona no fialam-boly mety hanampy anao hazoto hianatra indray rehefa avy eo?

a Betsaka ny fomba azo ampianarana ny ankizy any an-trano, ohatra hoe amin’ny alalan’ny Internet na an-taratasy. Indraindray koa misy mpampianatra tonga any an-trano. Azonao ampiharina izay soso-kevitra hitanao hoe mety aminao, ato amin’ity lahatsoratra ity.