Hijery ny anatiny

Ahoana Raha Zatra Mijery Sary Vetaveta Aho?

Ahoana Raha Zatra Mijery Sary Vetaveta Aho?

Ny azonao atao

 Tadidio fa tena ratsy ny sary vetaveta. Natao hanambaniana ny zavatra mendri-kaja noforonin’Andriamanitra izy ireny. Raha mitadidy izany ianao, dia ‘hankahala’ ireny zava-dratsy ireny.—Salamo 97:10.

 Eritrereto ny ho vokany. Lasa tsy manana ny hajany intsony ny olona hita ao amin’ilay sary vetaveta sy izay mijery azy. Tsy mahagaga raha milaza ny Baiboly hoe: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina.”—Ohabolana 22:3.

 Manaova voady. Hoy i Joba, mpanompon’Andriamanitra: “Efa nanao fifanekena tamin’ny masoko aho, koa hataoko ahoana indray no hijerijery virjiny?” (Joba 31:1) Ireto misy “fifanekena” na voady azonao atao:

  •  Tsy hijery Internet aho raha vao irery.

  •  Hakatoko avy hatrany izay hafatra na toerana ao amin’ny Internet misy zavatra vetaveta.

  •  Hiresaka amin’ny namana matotra aho, raha lasa mijery sary vetaveta indray.

Mamatotra anao tsikelikely ny sary vetaveta. Mihasarotra ny miala aminy, arakaraka ny ijerenao azy

 Mivavaha. Nitalaho tamin’i Jehovah Andriamanitra ny mpanao salamo hoe: “Aza avela hifantoka amin-javatra tsy misy ilana azy ny masoko.” (Salamo 119:37) Tian’Andriamanitra hanao ny tsara ianao, ary afaka manome anao hery hahavitana an’izany izy raha mivavaka aminy ianao.—Filipianina 4:13.

 Mitadiava olona azonao iresahana. Matetika no manampy ny firesahana momba an’ilay izy amin’ny olona iray itokisanao.—Ohabolana 17:17.

 Tadidio izao: Isaky ny mahavita tsy mijery sary vetaveta ianao, dia fandresena lehibe ho anao izany. Lazao amin’i Jehovah Andriamanitra ilay izy, ary isaory izy nanampy anao. Mampifaly ny fony ianao rehefa tsy mijery sary vetaveta!—Ohabolana 27:11.