Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Ahoana no Ahaizako Mifehy ny Fihetseham-poko?

Ahoana no Ahaizako Mifehy ny Fihetseham-poko?

“Misy fotoana aho faly be, dia ny ampitson’iny anefa aho dia kivy be. Misy zavatra tsy dia misy dikany amiko androany, nefa lasa mampiady saina an’ahy ilay izy ny ampitson’iny.”​—Carissa.

Miovaova be ve ny fihetseham-ponao? a Natao hanampiana anao àry ity lahatsoratra ity.

 Inona no mahatonga an’ilay izy?

 Miovaova be ny fihetseham-pon’ny ankizy rehefa mihalehibe izy. Aza gaga anefa fa mety mbola hitranga aminao izany na dia efa ho olon-dehibe aza ianao.

 Mety hanahiran-tsaina anao ny hoe miovaova be ny fihetseham-ponao. Ny fiovaovan’ny hormonina ao amin’ny vatanao anefa no mahatonga an’izany. Rehefa mihalehibe koa ianao, dia mety ho be fanahiana sy tsy hatoky tena. Ara-dalàna daholo izany. Azonao atao tsara ny mahafantatra hoe inona no mahatonga an’ilay fihetseham-po, ary ahoana no ahafahanao mifehy an’ilay izy.

 Tadidio izao: Tena zava-dehibe ny mianatra mifehy ny fihetseham-ponao amin’ianao mbola tanora izao. Ilainao mantsy izany rehefa lehibe ianao.

Hoatran’ny hoe mitondra fiara amin’ny lalana be lavaka ianao rehefa miovaova be ny fihetseham-ponao. Azonao atao anefa ny miala an’ireny lavaka ireny

 Zavatra telo azonao atao

 Miresaka. Hoy ny Baiboly: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.”—Ohabolana 17:17.

 “Nisy naman’ny fianakavianay iray izay noraisiko hoatran’ny nenitoako mihitsy. Mihaino tsara izy rehefa misy zavatra lazaiko, dia lasa tsy misalasala aho miresaka aminy. Faly be izy rehefa manana hevitra tsara aho, ary ahitsiny moramora kosa aho rehefa diso hevitra.”​—Yolanda.

 Soso-kevitra: Tsy mety raha hoe ny tanora namanao ihany no iresahanao. Ry zareo koa mantsy mety hiovaova fihetseham-po hoatr’anao. Miresaha koa amin’ny ray aman-dreninao na amin’ny olon-dehibe atokisanao.

 Manoratra. Hoy i Joba rehefa kivy be izy: “Hamoaka ny fitarainako aho, ary hiteny ao anatin’ny fahoriam-poko.” (Joba 10:1) Tsara ny hoe miresaka amin’ny olona, nefa azonao atao koa ny manoratra momba an’izay tsapanao.

 “Mitondra karine kely izay foana aho. Dia rehefa misy zavatra mahasosotra an’ahy, dia manoratra momba an’ilay izy aho. Tena manampy be an’ahy izany.”​—Iliana.

 Soso-kevitra: Mampiasà diary, dia soraty ao ny fihetseham-ponao, sy izay nahatonga an’ilay izy, ary izay azonao atao. Hanampy anao hanao an’izany ilay fampiasana miaraka amin’ity lahatsoratra ity.

 Mivavaka. Hoy ny Baiboly: “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao, fa izy no hanohana anao. Tsy havelany hangozohozo mihitsy ny olo-marina.”—Salamo 55:22.

 “Mivavaka amin’i Jehovah foana aho rehefa kivy be. Mahatsiaro ho maivamaivana aho rehefa avy mamboraka aminy ny ao am-poko.”​—Jasmine.

 Soso-kevitra: Na dia misy zavatra mampiady saina anao aza, dia mieritrereta zavatra telo azonao isaorana an’i Jehovah. Mangataha fanampiana amin’i Jehovah rehefa mivavaka ianao, nefa misaora azy koa noho ireo fitahiana azonao.

a Miresaka momba ny fiovaovan’ny fihetseham-po mpahazo ny tanora ity lahatsoratra ity. Raha efa lasa aretina indray ilay hoe kivy be, dia azonao vakina ilay lahatsoratra hoe “Inona no Hataoko Raha Kivy Be Aho?”