Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | AHOANA NO HANANANA FAHAZARANA TSARA?

2 Manaova Zavatra Mialoha

2 Manaova Zavatra Mialoha
  • Efa tapa-kevitra ianao hoe tsy hihinana afa-tsy sakafo mahasalama, nefa mampilendalenda be itsy gilasy itsy.

  • Nanapa-kevitra ianao hoe tsy hifoka intsony, nefa notoloran’ny namanao sigara indray, na dia efa fantany aza fa te hiala amin’izany ianao.

  • Nikasa hanao fanatanjahan-tena ianao androany, nefa na ny mikaroka an’ilay tenisy fitondranao mihazakazaka aza hoatran’ny asa be!

Misy itovizany ireo zava-mitranga telo ireo. Efa imbetsaka no voaporofo fa manampy antsika hanana fahazarana tsara sy hiala amin’ny fahazaran-dratsy ny toe-javatra misy antsika sy ny olona ifaneraserantsika.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina, fa ny tanora fanahy kosa mbola miroso ihany ka voa.”Ohabolana 22:3.

Mampirisika antsika hitsinjo lavitra ny Baiboly. Ialao àry izay toe-javatra mety hisakana anao tsy hanatratra ny tanjonao. Miezaha kosa hitady fomba hanatratrarana azy io. (2 Timoty 2:22) Raha tsorina dia hoe manaova zavatra mialoha.

Ataovy izay hahatonga anao tsy ho mora resin’ny fakam-panahy, ary ataovy mora tanterahina ny zavatra mahasoa

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Ataovy izay hahatonga anao tsy ho mora resin’ny fakam-panahy. Aza mitahiry haninkanina ao an-dakozia, ohatra, raha efa tapa-kevitra ianao fa tsy hihinana an’izany intsony. Ho sarotra kokoa aminao amin’izay ny ho resin’ny fakam-panahy hihinana haninkanina.

  • Ataovy mora tanterahina ny zavatra mahasoa. Alohan’ny hatory, ohatra, dia efa omano eo akaikin’ny fandriananao ny akanjo fanaovana fanatanjahan-tena, raha te hihazakazaka maraina ianao. Tsy dia sarotra mantsy ny manao zavatra iray, raha mora atomboka ilay izy.

  • Fidio tsara ny namanao. Mora maka tahaka an’izay olona mifanerasera amintsika mantsy isika. (1 Korintianina 15:33) Aza miaraka be amin’ny olona mampirisika anao hanana fahazaran-dratsy àry. Izay mandrisika anao hanana fahazarana tsara kosa iarahana.