Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tranolay antsoina hoe yourte any amin’ny Lohasahan’i Tach Rabat

TANY SY MPONINA

Fitsidihana An’i Kirghizistan

Fitsidihana An’i Kirghizistan

ANY Azia Afovoany no misy an’i Kirghizistan, izany hoe eo anelanelan’i Kazakhstan, Ouzbékistan, Tadjikistan, ary Chine. Voahodidina tendrombohitra avo rakotra ranomandry izy io. Efa ho ny 90 isan-jaton’ilay tany no feno tendrombohitra. Any no misy ny tendrony avo indrindra amin’ilay tandavan-tendrombohitra atao hoe Tian Shan. Mirefy 7 439 metatra ambonin’ny haabon’ny ranomasina izy io. Rakotra ala ny 4 isan-jaton’ny velaran-tanin’i Kirghizistan. Tsara homarihina anefa fa ny alana noaie any no anisan’ny midadasika indrindra eran-tany.

Mitarika fampianarana Baiboly amin’ny olona an’arivony ny Vavolombelon’i Jehovah any Kirghizistan

Tia mandray vahiny ny mponina any sady manaja olona. Hafa ny mpisolo anarana ampiasainy, rehefa miresaka amin’ny olon-dehibe. Omeny toerana ny zokiolona rehefa ao anaty fitateram-bahoaka. Ny toerana mihaja indrindra koa no omeny azy rehefa misakafo.

Manan-janaka telo na mihoatra ny ankamaroan’ny mpivady. Ny faralahy mazàna no miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreniny, na dia efa manambady aza, mba hikarakara azy ireo rehefa antitra.

Mbola kely ny ankizivavy dia efa ampianarina hikarakara tokantrano. Efa mahay tsara an’izany izy rehefa feno 15 taona eo ho eo. Mazàna no ampitondraina haren-jazavavy ny vehivavy rehefa hanambady. Anisan’izany ny lambam-pandriana isan-karazany, fitafiana samihafa, ary karipetra natao tanana. Ny mpampakatra kosa manome vodiondry, izay tsy inona fa vola sy biby fiompy.

Mamono ondry na soavaly ny mponina any rehefa fety na rehefa misy maty. Tetitetehina ilay hena avy eo, ary efa misy fomba itsinjarana azy io. Arakaraka ny taonan’ny vahiny sy ny toerana tanany ny anjara omena azy. Mari-panajana daholo izany! Aroso avy eo ny beshbarmak, izay sakafo mampiavaka an’io tany io. Hena tetehina manify ampiarahina amin’ny paty izy io, ary hanina amin’ny tanana.

Zavamaneno be mpitia ny komuz