Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Firaisan’ny Samy Lehilahy na Samy Vehivavy?

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Firaisan’ny Samy Lehilahy na Samy Vehivavy?

MBOLA iadian-kevitra be ny fanambadian’ny lehilahy samy lehilahy * any amin’ny tany maro. Neken’ny Fitsarana Tampony any Etazonia ho ara-dalàna anefa izany tamin’ny 2015. Betsaka àry ny fanontaniana nipoitra, ohatra hoe: “Inona no lazain’ny Baiboly momba ny firaisan’ny samy lehilahy?”

Tsy resahin’ny Baiboly hoe manana zo hivady ara-dalàna ny lehilahy samy lehilahy. Inona anefa no lazain’izy io momba ny firaisan’ny samy lehilahy?

Maro no mihevitra hoe mahay ny valin’izany, na dia tsy fantany tsara aza izay lazain’ny Baiboly. Mifanohitra anefa ny valin-tenin’izy ireo. Misy milaza hoe raran’ny Baiboly ny firaisan’ny samy lehilahy. Ny hafa indray mihevitra hoe tsy raran’ny Baiboly izay karazana firaisana ataon’ny olona, satria na izy io aza milaza hoe “tiavo ny namanao.”—Romanina 13:9.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Iza amin’ireto no heverinao hoe marina?

  1. Raran’ny Baiboly ny firaisan’ny samy lehilahy.

  2. Tsy raran’ny Baiboly ny firaisan’ny samy lehilahy.

  3. Mampirisika ny olona hanavakavaka na hankahala ny lehilahy miray amin’ny lehilahy ny Baiboly.

VALINY:

  1. MARINA. Hoy ny Baiboly: “Tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra ... ny lehilahy miray amin’ny lehilahy.” (1 Korintianina 6:9, 10) Toy izany koa ny vehivavy miray amin’ny vehivavy.—Romanina 1:26.

  2. DISO. Ampianarin’ny Baiboly fa ny lehilahy sy vehivavy efa mpivady ihany no tokony hanao firaisana.—Genesisy 1:27, 28; Ohabolana 5:18, 19.

  3. DISO. Raran’ny Baiboly ny firaisan’ny samy lehilahy, nefa tsy ampirisihiny isika hanavakavaka na hankahala na hampijaly ny lehilahy miray amin’ny lehilahy.—Romanina 12:18. [1]

Inona no inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Mino izahay fa tena mahasoa ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena, ary iezahanay ampiharina izy ireny. (Isaia 48:17) [2] Tsy ankasitrahanay àry izay karazana firaisana raran’ny Baiboly, anisan’ izany ny firaisan’ny samy lehilahy. (1 Korintianina 6:18) [3] Izany no safidinay ary manan-jo hanao an’izany izahay.

Miezaka mafy ny Vavolombelon’i Jehovah mba ho tia ny namany tahaka ny tenany

Miezaka mafy anefa izahay mba ‘hihavana amin’ny olon-drehetra.’ (Hebreo 12:14) Tsy mankasitraka ny firaisan’ny samy lehilahy izahay, nefa tsy manery ny hafa hanaraka ny hevitray. Tsy mandray anjara amin’ny fampijaliana lehilahy miray amin’ny lehilahy koa izahay, ary malahelo rehefa atao an’izany izy ireo. Miezaka kosa izahay mba ho tia ny namanay tahaka ny tenanay.—Matio 7:12.

Mampirisika ny olona hanavakavaka ve ny Baiboly?

Misy milaza fa mampirisika ny olona hanavakavaka ny lehilahy miray amin’ny lehilahy ny Baiboly, ary tery saina izay manaraka ny fitsipika ao. Mbola tery saina, hono, ny olona tamin’ny fotoana nanoratana ny Baiboly. Lazainy koa fa tsy avakavahana intsony izao ny olona na inona na inona volon-kodiny na fireneny, ary na lehilahy no tiany hanaovana firaisana na vehivavy. Mitovy amin’ny hoe manavakava-bolon-koditra ihany, hono, ny hoe tsy mankasitraka ny firaisan’ny samy lehilahy. Tsy marina anefa izany. Nahoana?

Tsy mitovy ny hoe mankahala lehilahy miray amin’ny lehilahy sy ny hoe mankahala ny zavatra ataony. Ampirisihin’ny Baiboly hanaja ny karazan’olona rehetra ny Kristianina. (1 Petera 2:17) [4] Midika ve izany fa tokony hankasitrahan’izy ireo ny zavatra rehetra ataon’ny olona?

Diniho izao: Aoka hatao hoe tsy tia mifoka sigara ianao, satria fantatrao fa manimba izy io ary maharikoriko anao mihitsy aza. Ahoana anefa raha tia mifoka ny mpiara-miasa aminao? Tery saina ve ianao na hoe mankahala azy, satria tsy mitovy hevitra aminy? Raha manery anao hiova hevitra ilay mpiara-miasa aminao, tsy izy ve no tery saina?

Mifidy ny hanaraka ny fitsipiky ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tsy mankasitraka an’izay fanao raran’izy io. Tsy esoinay na ampijalinay anefa ny olona tsy manao hoatra anay.

Hentitra loatra ve ny Baiboly?

Misy olona te hanao firaisana amin’ny lehilahy nefa izy lehilahy. Efa voajanahary ve izany? Raha izany no izy, tsy hentitra be ve isika raha milaza fa tsy tokony hanatanteraka an’ilay faniriany izy?

Eken’ny Baiboly fa sarotra be ho an’ny olona sasany ny miova. Tsy resahiny koa ny antony mahatonga ny lehilahy ho tia lehilahy. Voalaza ao anefa fa misy zavatra tsy tokony hataontsika, anisan’izany ny firaisan’ny lehilahy samy lehilahy. Hampifaly an’Andriamanitra isika raha mankatò an’izany.—2 Korintianina 10:4, 5.

Misy mihevitra fa hentitra loatra ny fitsipiky ny Baiboly. Tsy maintsy omena fahafaham-po mantsy, hono, ny faniriana hanao firaisana. Tena mahery koa, hono, ilay faniriana ka tsy tokony hofehezina ary tsy ho voafehy mihitsy. Resahin’ny Baiboly anefa fa azon’ny olona atao tsara ny mifehy ny faniriany. Tsy mitovy amin’ny biby mantsy isika fa afaka mifidy ny tsy hanatanteraka ny faniriantsika.—Kolosianina 3:5. [5]

Diniho izao: Misy manam-pahaizana milaza fa matoa misy olona manana toetra sasany, ohatra hoe mahery setra, dia mety ho efa ao amin’ny rany mihitsy ilay izy. Tsy resahin’ny Baiboly ny antony mahatonga ny olona hahery setra. Manaiky anefa izy io fa “mora tezitra” sy “mora misafoaka” ny olona sasany. (Ohabolana 22:24; 29:22) Na izany aza dia milaza ny Baiboly hoe: “Ialao ny fahatezerana ary atsaharo ny fahavinirana.”—Salamo 37:8; Efesianina 4:31.

Tsy handa an’io torohevitra io ny ankamaroan’ny olona, na hilaza fa hentitra loatra izy io ho an’ny olona mahery setra. Ny manam-pahaizana aza miezaka manampy ny olona hifehy ny fahatezerany, na dia ekeny aza hoe efa ao amin’ny ran’ilay olona ilay izy.

Miezaka koa ny Vavolombelon’i Jehovah mba hifehy tena, ka tsy hanao zavatra raran’ny Baiboly. Anisan’izany ny firaisan’ny lehilahy sy vehivavy mbola tsy mpivady. Azo ampiharina foana ity torohevitra ity: ‘Mahaiza mifehy tena amin’ny fahamasinana sy ny haja, fa tsy amin’ny filan’ny nofo tsy mety afa-po.’—1 Tesalonianina 4:4, 5.

‘Efa toy izany ny sasany aminareo’

Samy hafa fiaviana ireo olona te ho lasa Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Tsy nitovy koa ny fomba fiainany. Nisy tamin’izy ireo ‘mpijangajanga, mpanompo sampy, mpanitsakitsa-bady, na lehilahy manaiky hanaovan-dehilahy firaisana.’ Niova be anefa izy ireo, matoa ny Baiboly milaza hoe: ‘Efa toy izany ny sasany aminareo.’1 Korintianina 6:9-11.

Midika ve izany fa tsy nanana faniriana hanao firaisana tamin’ny lehilahy intsony ireo lehilahy mpanao an’izany? Tsia. Hoy mantsy ny Baiboly: ‘Mandehana hatrany araka ny fanahy, dia tsy hahatanteraka ny fanirian’ny nofo ianareo.’—Galatianina 5:16.

Mariho fa tsy milaza ny Baiboly hoe tsy hanana fanirian-dratsy intsony ny Kristianina iray. Resahiny kosa hoe ny tsirairay no hifidy ny tsy hanatanteraka ny faniriany. Miezaka hifehy ny fanirian-dratsiny ny Kristianina, ka tsy mifantoka be amin’izany mba tsy hahatonga azy hanatanteraka an’ilay izy.—Jakoba 1:14, 15. [6]

Avahan’ny Baiboly tsara àry ny faniriana sy ny fanao. (Romanina 7:16-25) Afaka mifehy izay zavatra tiany hifantohana ny lehilahy te hanao firaisana amin’ny lehilahy. Azony atao ny mifehy an’ilay faniriana, satria na izy aza afaka mifehy ny hatezerana sy ny faniriana hanitsakitsa-bady ary ny fitsiriritana.—1 Korintianina 9:27; 2 Petera 2:14, 15.

Manaraka ny fitsipiky ny Baiboly izahay Vavolombelon’i Jehovah, nefa tsy manery ny hafa hanaraka ny hevitray. Tsy miezaka manova ny lalàna miaro ny zon’ireo tsy mitovy fomba fiaina aminay koa izahay. Mahasoa ny hafatra torinay, ary resahinay azy io izay rehetra te hihaino anay.—Asan’ny Apostoly 20:20.

^ 1. Romanina 12:18: “Mihavàna amin’ny olona rehetra.”

^ 2. Isaia 48:17: “Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Ilay mampianatra anao mba hahitanao soa.”

^ 3. 1 Korintianina 6:18: “Andosiro ny fijangajangana.”

^ 4. 1 Petera 2:17: “Hajao ny karazan’olona rehetra.”

^ 5. Kolosianina 3:5: “Koa vonoy ireo fironan-dratsy ao amin’ny rantsambatanareo, dia fijangajangana, fahalotoana, filan’ny nofo.”

^ 6. Jakoba 1:14, 15: ‘Tsapaina ny tsirairay rehefa voasariky ny fanirian’ny tenany ihany, ka voafandrik’izany. Ary ny faniriana rehefa kolokoloina, dia miteraka fahotana.’

^ feh. 2 Ny firaisan’ny samy lehilahy no tena resahina ato, nefa tafiditra koa ny firaisan’ny samy vehivavy.