Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HO AN’NY FIANAKAVIANA | TANORA

Ahoana no Hiatrehana Fiovana?

Ahoana no Hiatrehana Fiovana?

OLANA

  • Tsy maintsy mifindra monina ianareo, noho ny asan’ny dadanareo.

  • Nifindra trano any lavitra any ny namanao akaiky.

  • Hiala ao an-trano ny zokinao satria hanambady.

Ahoana no hiatrehanao an’izany fiovana izany?

Tsy hiongotra ny hazo iray raha milefitra rehefa tratran’ny rivo-doza. Azonao atao koa ny mianatra milefitra rehefa misy fiovana tsy azo anoarana. Amin’ny fomba ahoana? Ireto aloha misy zavatra tsara ho fantatrao.

TSARA HO FANTATRAO

Misy foana ny fiovana. Milaza ny Baiboly fa mety hisy zava-mitranga tsy ampoizina eo amin’ny fiainantsika. (Mpitoriteny 9:11) Mety ho tratran’izany ianao, na ho ela na ho haingana. Tsy voatery ho ratsy daholo anefa izy ireny. Mety ho hoatran’ny ratsy koa ny fiovana sasany amin’ny voalohany, nefa hita hoe mahasoa rehefa mandeha ny fotoana. Tian’ny olona ny manaraka ny fomba fiaina mahazatra azy, fa mikorontana kosa ny fiainany raha vao misy fiovana, na tsara izany na ratsy.

Ny tanora no tena miady saina rehefa misy fiovana. Nahoana? Hoy ny tovolahy atao hoe Bary: * “Efa mampiady saina ny fiovana eo amin’ny vatana. Mbola manampy trotraka an’izany anefa ny fiovana hafa.”

Mbola tsy ampy traikefa koa ny tanora. Ny olon-dehibe kosa mahay miatrika fiovana, satria efa fantany hoe ahoana no nataony tamin’ny lasa.

Azonao atao ny mizatra fiovana. Mafy toto ny tanora iray raha mahay mizatra fiovana. Tsy hoe afaka miaritra zava-mitranga vaovao fotsiny izy, fa mahita ny lafy tsarany koa na dia hoatran’ny hoe olana aza ilay izy. Raha mafy toto ny tanora iray, dia tsy atahorana handray zava-mahadomelina na hiboboka toaka rehefa misy olana tsy voavahany.

INONA NO AZONAO ATAO?

Ekeo ny zava-misy. Azo antoka fa tsy tianao hisy fiovana tampoka eo amin’ny fiainanao. Misy foana anefa ny fiovana. Tsy maintsy hifindra mantsy ny namanao na hanambady. Hihalehibe koa ny iray tam-po aminao ary hiala ao an-trano. Mety ho voatery hifindra trano ianareo mianakavy, ary hilaozanao ny namanao sy ny zavatra nahazatra anao. Tsara raha manaiky ny zava-misy ianao fa tsy hifantoka amin-javatra mahakivy.—Toro lalan’ny Baiboly: Mpitoriteny 7:10.

Banjino ny hoavy. Raha ny lasa foana no eritreretinao, dia toy ny hoe mitondra fiara ianao nefa ny fitaratra fijerena ny ao aoriana no ifantohanao. Mahasoa ny manopy maso azy io tsindraindray, saingy ny lalana no tokony hifantohanao. Izany koa atao rehefa misy fiovana. Ny hoavy banjinina. (Ohabolana 4:25) Inona, ohatra, no tanjona azonao tratrarina amin’ny volana manaraka, na ao anatin’ny enim-bolana?

Mifantoha amin’ny lafy tsaran-javatra. Hoy ny tovovavy atao hoe Noro: “Ny toe-tsainao ihany no hahatonga anao ho mafy toto na tsia. Fantaro hoe inona no mahatsara ny fiovana atrehinao.” Misy mahatsara azy ve ny fiovana eo amin’ny fiainanao? Nahoana raha atao lisitra izany? Soraty ilay izy, na dia iray fotsiny aza no hitanao.—Toro lalan’ny Baiboly: Mpitoriteny 6:9.

Nilaza ny tovovavy atao hoe Felana fa lasa nifindra daholo ny namany akaiky, tamin’izy folo taona mahery. Hoy izy: “Lasa nanirery aho. Tiako raha mba teo foana ry zareo. Tamin’izay anefa aho vao nanomboka nihamatotra. Tsapako hoe nanampy ahy hihamatotra ny fiovana. Lasa hitako koa hoe betsaka ny olona azoko natao namana.”—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 27:10.

Raha ny lasa foana no eritreretinao, dia toy ny hoe mitondra fiara ianao nefa ny fitaratra fijerena ny ao aoriana no ifantohanao

Manaova zavatra ho an’ny hafa. Hoy ny Baiboly: “Aoka ny tsirairay aminareo hihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.” (Filipianina 2:4) Ho vitanao tsara ny hiatrika ny olana mahazo anao, raha manampy ny hafa hiatrika ny azy ianao. Hoy i Anna, 17 taona: “Rehefa nihalehibe aho, dia lasa hitako hoe nahasoa ahy ny nanampy olona hiatrika olana hoatran’ny ahy, na olana lehibe kokoa.”

^ feh. 11 Novana ny anarana sasany.