Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Hatsaran-tarehy

Hatsaran-tarehy

Arakaraka ny fiheveran’ny olona ny hatsaran-tarehy no mety hahatonga azy ho faly amin’ny fiainana na tsia.

Nahoana isika no tia zavatra tsara?

Mahay manavaka ny atao hoe tsara ny atidohantsika, ary mbola tsy fantatra ny antony mahatonga izany. Tsy manazava an’izany koa ny Baiboly. Resahiny kosa hoe nataon’Andriamanitra mitovy toetra aminy isika, ka lasa tia zavatra tsara. (Genesisy 1:27; Mpitoriteny 3:11) Izy koa no namorona ny vatantsika. Be pitsiny izy io, ary mahavariana ny bikany sy ny fomba fiasany. Izany no nahatonga an’ilay mpamoron-kira fahiny hilaza hoe: “Hidera anao aho [Andriamanitra], satria mahagaga sy mahatalanjona ny fomba nanaovanao ahy.”—Salamo 139:14.

Lasa hindrahindraina be anefa izao ny hatsaran-tarehy, noho ny lamaody sy ny haino aman-jery. Hita tamin’ny fanadihadiana natao tany amin’ny firenena tandrefana, fa “maro no mihevitra hoe izay tsara tarehy ihany no azo lazaina hoe olona tsara.” Tery saina ny olona hoatr’izany, satria ataony tsinontsinona ny fo, na ny maha izy an’ilay olona, nefa izany no zava-dehibe indrindra.—1 Samoela 16:7.

Lasa fanao ny manindrahindra ny bika aman’endrika sy ny mampihanjahanja vatana mba hanairana ny filan’ny nofo

Aharihary hatraiza hatraiza koa izao ny vatan’ny olona, indrindra fa ny an’ny vehivavy, mba hanairana ny filan’ny nofo. Hoy ny tatitra nataon’ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Psikolojia (FAP) tamin’ny 2007: “Saika ny haino aman-jery rehetra no mampihanjahanja ny vatan’ny vehivavy, mba hanairana ny filan’ny nofo.” Milaza anefa ny Baiboly fa tsy tokony hanaraka an’izany fanao izany isika, satria tsy mahasoa izany.—Kolosianina 3:5, 6.

“Aoka ny haingonareo tsy ho zavatra ivelany ... fa aoka kosa ho ilay toetra miafina ao am-po, izay toy ny manao fitafiana tsy mety simba, dia ny toetra tony sy malemy paika, izay tena sarobidy eo imason’Andriamanitra.”1 Petera 3:3, 4.

Nahoana isika no tokony hahay handanjalanja?

Fitenin’ny olona sasany ny hoe: “Raha tsara bika ianao dia aderaderao e!” Inona no vokatr’izany toe-tsaina izany eo amin’ny tovovavy sy ny ankizivavy? Hita tamin’ny tatitry ny FAP fa lasa mihevitra izy ireo hoe “natao hotsiriritin’ny hafa izy, ... natao hojereny sy hotsarainy raha tsara bika na tsia.” Tena mety hanimba io toe-tsaina io. Milaza ny FAP fa mety hankarary izy io ary mampanahy olona maro. Mety hitebiteby mantsy ilay tanora. “Mety tsy ho tiany intsony aza ny tenany ... mety halain-komana na hazoto homana loatra izy, hihevi-tena ho tsy misy dikany, na ho ketraka lava.”

“Arovy tsy ho azom-pahoriana ny fonao, ary ampanalaviro ny nofonao ny loza, fa zava-poana ny fotoana maha zatovo sy ny fahatanorana.”Mpitoriteny 11:10.

Ahoana no ahitana raha mahay misaina ianao?

Resahin’ny Baiboly fa mifandray ny hoe maotina sy ny hoe ‘hendry’ na mahay misaina. (1 Timoty 2:9) Tsy mifantoka be amin’ny bika aman’endriny ny olona maotina, fa mahay mandanjalanja. Mihevitra ny fihetseham-pon’ny hafa izy, ka lasa tian’ny olona sy hajainy ary ankasitrahan’Andriamanitra. (Mika 6:8) Azo inoana koa hoe hahazo namana tsara izy. Olona maniry ny hananany tokantrano sambatra sy maharitra no ho vadiny, fa tsy olona te hanao firaisana aminy fotsiny.

Tsy mahagaga ny Baiboly raha mampirisika antsika hifantoka amin’ilay “toetra miafina ao am-po”, na ny maha isika antsika. (1 Petera 3:3, 4) Tsy miova mihitsy izy io na mihantitra aza isika, ary azo hatsaraina foana. Hoy ny Ohabolana 16:31: “Satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy, raha ao amin’ny lalan’ny fahamarinana no ahazoana azy.” Tokony hanaraka ny torohevitry ny Baiboly àry isika, na tanora na antitra. Ho hitantsika amin’izay hoe ahoana no hananana ny tena hatsaran-tarehy, izay tsy mora lefy, ary ahoana no hahatonga antsika ho olona mendrika sy ho afa-po amin’ny fiainana.

“Mamitaka ny hatsaram-bika, ary zava-poana ny hatsaran-tarehy, fa ny vehivavy matahotra an’i Jehovah no hahazo dera.”Ohabolana 31:30.