Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA

Ahoana no Hananana Fahazarana Tsara?

Ahoana no Hananana Fahazarana Tsara?
  • MBOLA te hatory i Austin rehefa naneno ny famantaranandrony, nefa tonga izy dia nifoha. Nanaovany ny akanjo fentiny manao fanatanjahan-tena, izay efa nomaniny ny alin’iny, ary lasa izy nihazakazaka. Efa zatra manao an’izany intelo isan-kerinandro izy, nanomboka tamin’ny taon-dasa.

  • Vao avy nifamaly tamin’ny vadiny i Laurie. Nirintona nankany an-dakozia izy, ary naka sôkôlà iray boaty. Laniny daholo ilay izy. Izany no fanaony rehefa sosotra.

Inona no itovizan’i Austin sy Laurie? Samy manana ny fahazarany izy ireo, ary io no mibaiko ny fiainany, na tsapany izany na tsia.

Ary ianao? Misy fahazarana tsara tianao hananana ve, ohatra hoe manao fanatanjahan-tena tsy tapaka, matory aloha kokoa, na mifandray kokoa amin’ny havana aman-tsakaiza?

Misy fahazaran-dratsy tianao hialana koa ve, toy ny hoe mifoka sigara, tia mihinana haninkanina, na mandany fotoana be loatra amin’ny Internet?

Tsy mora aloha ny miala amin’ny mahazatra e! Toy ny fandriana mafana amin’ny andro ririnina mantsy, hono, ny fahazaran-dratsy, ka mora itsofohana fa sarotra ialana.

Inona àry no azonao atao raha tianao ny hanana fahazarana tsara fa tsy fahazaran-dratsy? Diniho ireto toro lalana telo avy ao amin’ny Baiboly ireto.